PAC Mahajanga : Nodimandry tampoka ny lehiben’ny Fampanoavana

  • mercredi, 02 décembre 2020 22:04
  • Balita
  • Sary nindramina

Nodimandry tampoka ny alarobia tokony ho tamin’ny 1 ora maraina ny lehiben’ny Fampanoavana eny anivon’ny rantsam-pitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) any Mahajanga, fantatra amin’ny anarana hoe Rakotomavo Herisoa Beberto.

Aretim-bavony no voalaza fa anton’ny fahafatesana.

Andrasana ao amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Mahajanga ny nofo mangatsiakany ity alin’ny alarobia hifoha alakamisy ity.

Entina halevina any Fianarantsoa, izay faritra fihaviany ny nofo mangatsiakany.

Lehiben’ny fampanoavana tany Ambatondrazaka Itompokolahy mialoha ny fifantenana azy ho anisan’ireo hampiodina ny asan’ny PAC Mahajanga.

Vao ny faha-23 oktobra 2020 lasa teo no napetraka tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny andraikitra vaovao nosahaniny izy sy ny mpiaramiasa aminy hafa.

Malaza ho anisan’ny mpitsara nitoeran’ny fahatsoram-po sy ny fahitsiana Rakotomavo Herisoa Beberto fony fahavelony.
Tamin’alahelo lehibe tokoa no nanaovan’Ambatondrazaka veloma azy rehefa voatendry hiasa any amin’ny PAC Mahajanga izy.

Nodimandry tamin’ny taon-dasa ny rainy, araka ny fantatra.
Nodimandry ny reniny raha vao niandoha kely foana ny fihibohana ny volana martsa 2020 teo.
Nodimandry ny rafozany mialoha ny fotoana nandaozany an’Ambatondrazaka ary dia izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao ihany koa.

Mandria am-piadanana tompoko !

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.