Teti-bola : Efa nanomboka ny fanadinana, tsy mbola tonga ny laza adina

  • vendredi, 13 novembre 2020 11:43
  • Super User
  • Tahirin-tsary fampihaingoana

Endrika toy izany ny zava-misy eny amin'ny Antenimieram-pirenena.

Araka ny andininy faha-75 voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia mivory indroa isan-taona ny Antenimieram-pirenena, ka ny fivoriana faharoa amin’izany dia ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana izay natao indrindra handinihana ny Teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona manaraka.

Nanomboka ny 20 oktobra 2020 ny fivoriana ara-potoana faharoa ny Antenimieram-pirenena.

Hatreto anefa ny 13 novambra dia mbola tsy eny am-pelatanan'ireo Solombavam-bahoaka ny volavolan-dalàna mahakasika ny teti-bolam-panjakana ny taona 2021, izay ny Governemanta no tokony hanolotra mialoha izany.

Mbola mandalo ihany koa amin'ny Loholona moa io tolo-dalàna io.

Efa fantatra, vao lany ny Lalampanorenana desambra 2010, 10 taona lasa nifandimby izay, fa io datin'ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra hatrany no andinihina ny teti-bola, nefa na fanajana izay fotoana izay aza dia tsy vita.

Sa atao ny fomba mahazatra, efa ho tapitra ny fotoam-pivoriana vao aroso ankamehana, dia lany tsy nasiam-panitsiana indray ny teti-bolam-pirenena, omena kely izay tombotsoa takiany eo fotsiny ireo solombavam-bahoaka, ka mbola misy ihany hatreto sora-bola mira aotra (égal zero) ho an'ireo sekoly na CSB isam-paritra?

Patrick

(Tahirin-tsary fampihaingoana)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.