Faritra Atsinanana TOE-KARENA : Misokatra ny taom-piotazana litchis taona 2020

  • samedi, 14 novembre 2020 09:54
  • Sary nomena

Nisokatra ny alin'ny zoma 13 novambra ny Campagne na taom-piotazana litchis taona 2020.

Tonga eto Toamasina nanokatra izany Ramatoa Minisitry ny Varotra, otronon’ny tompon’andraiki-panjakana eto Toamasina tarihin’ny Governora Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore.

Toy ny isan-taona dia misy ny fitsidihana sy fisafoana ireo toerana isehoan’ny dingana rehetra, manomboka amin’ny fahatongavan’ny akora ka hatramin’ny fanondranana izany eny ambony sambo.

Marihina fa amin’ity taona ity dia 16 000, na enina arivo sy iray alina taonina, ny « Quota » azon’ny vondrona GEL, na Groupement des Exportateurs de Litchis, ka ny 13 000 taonina amin’ireo dia haondrana any Eoropa, ny ambiny kosa ho any Russie, Dubai, Mayotte ary nosy Martinique.

Sambo roa no ho tonga miatsona eto Toamasina hitatitra izany.

Fotoan-dehibe ho an’ny Sosialy sy ny Toekarenam-paritra sy nasionaly ny taom-piotazana litchis, satria sehatr’asa sy vondron’olona ary Vondrombahoakam-paritra maro no misitraka sy migoka ny mamin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.