Amoron’i Mania: Hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny « Volambetohaka »

  • mercredi, 03 juin 2020 21:56
  • Zakaria

Tonga eo amin’ny andiany faha-15 amin’ity taona 2020 ity ny « Volambetohaka », izay fety ankalazaina amin’ny fotoana miaka-bokatra aty Amoron’i Mania.

Mihodina isan-droa taona, amin’ireo Distrika efatra mandrafitra an’Amoron’i Mania miampy ny departemantan’i Imadiala ny fampiantranoana ny « Volambetohaka ». Anjaran’ny Distrika Ambositra amin’ity andiany faha-15 ity, ary ny 23-26 jolay 2020 no efa voafaritra fa hankalazana izany

Manoloana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 dia nanapa-kevitra ny komity mpikarakara fa hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny « Volambetohaka » ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.

Ambovombe Centre, renivohitry ny Distrikan’i Manandriana no nandray ny andiany faha-14 tamin’ity hetsika ara-kolontsaina mampiavaka ny Faritra Amoron’i Mania ity ny taona 2018.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.