CRJS Toamasina: Navaozina ho azo hanaovana fampisehoana na hijerena sarimihetsika

  • lundi, 24 février 2020 22:10
  • Zakaria
  • Sary: SPAT Port Toamasina Officiel

Noraisin'ny SPAT Port Toamasina an-tànana ny fanavaozana ny CRJS (Centre Régional de la Jeunesse et des Sports), izay hita fa efa antitra.

Nasiana efitrano mahazaka olona 400 ity fotodrafitrasa ity taorian’ny fanavaozana natao, ary azo hanaovana fampisehoana na hijerena sarimihetsika.

« Palais des enfants pionniers » na « Lapan'ny Ankizy mpisava lalana » no niantsoana an’ity toerana ity tamin’ny Repoblika faharoa, fotodrafitrasa niarahana tamin-dry zareo Koreana Tavaratra ny fanorenana azy. Taty aoriana vao nomena anarana « Centre Régional de la Jeunesse et des Sports » na Foibem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.