Art et Culture

    • mardi, 20 juillet 2021 17:32
    • Sary nindramina

    Aïd al-Adha : Fetin'ny Sorona ho an'ny mpino Silamo

    Mankalaza ny AÏD BE na Aïd al-Adha na koà Aīd al-Kabīr ny mpino silamo androany Talata 20 Jolay, andro tsy fiasana nefa andraisan-karama eto Madagasikara. Ny "FETIN'NY SORONA" dia fety silamo anisan'ny manan-danja indrindra. Fahatsiarovana ny nitsapan'Andriamanitra an'i IBRAHIM (Abrahama amin'ny Kristianina) ka saika hanaovany sorona ny zanany ISMAÏL (ISAAKA amin'ny Kristianina). Fetin'ny finoana sy Fanantenana ary Fifankatiavana ka iarahana mifaly amin'ny fianakaviana sy olona akaiky ny AÏD BE. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 juillet 2021 12:39
    • Sary nomena

    Sampana Sekoly Alahady FJKM : Hahemotra amin’ny 2022 ny Fihaonambe any Mahajanga

    Hahemotra amin’ny taona 2022 ny Fihaonamben’ny Sampana Sekoly Alahady FJKM nokasaina hatao any Mahajanga ny 9-13 septambra ho avy izao. Hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka ny vanin’andro hanatanterahana izany. Izay no tapaka taorian’ny dinika nifanaovan’ny filoha synodaly sy ny Sampana Sekoly Alahady Boina Vaovao Mahajanga (SP 17), ary ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe ny talata faha-13 jolay lasa teo. Noho ny fisian’ny tetiandrom-pampianarana vaovao navoakan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no nahatonga ny fiovan’ny lamina. Ny alarobia 1 septambra ho avy izao no voatondro fa hanombohan’ny taom-pianarana 2021-2022, araka ny tetiandro ofisialy. Balita Raharisoa  
    Lire la suite ...
    • samedi, 10 juillet 2021 19:12
    • Sary nindramina

    Laurent Simons : Miketrika taova artifisialy mba hahalava velona ny olombelona

    Mbola zaza nefa kely mahay sady matsilo saina i Laurent Simons. Teo amin’ny faha-8 taonany izy dia efa nahazo maripahaizana bakalôrea. 11 taona izy izao, ary manana mari-pahaizana mitovy lenta amin’ny « licence » amin’ny lalampiofanana fizika, ary hanomana “master” amin’ny taom-pianarana ho avy. Belza ny rainy ary avy any Pays Bas ny renin’i Simons. Voalaza fa tsy lavitra an’i Albert Einstein ny haranitan-tsainy. Ny hanamboatra taova artifisialy hahalava velona ny olombelona no nofinofiny ka hilofosany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 juillet 2021 14:34
    • Photos Net

    Astronomie : Le Sénégalais Maram Kaire a son nom gravé dans le ciel

    En félicitant l’astronome sénégalais Maram Kaire, le président sénégalais Macky Sall dit sur les réseaux sociaux : "Le gouvernement sera à ses côtés dans la promotion de l’astronomie". Découvert en février 1998, l’astéroïde initialement numéroté (35462) 1998 DW23 devient officiellement (35462) Maramkaire, selon la Radio France Internationale ce vendredi soir. Président de l’Association sénégalaise pour la promotion de l’astronomie (ASPA), le jeune scientifique, 42 ans, a son nom gravé pour cet astéroïde du système solaire. Il s’agit d’un objet sombre, invisible à l’œil nu, découvert en 1998 par l’astronome français Alain Maury."Il fait partie de la ceinture principale des corps célestes gravitant autour du Soleil, entre les planètes Mars et Jupiter, et effectue un tour complet du Soleil en 4,36 années terrestres", note la source. Selon toujours elle, Maram Kaire doit la "nomination" à l’initiative d’amis astronomes, astrophysiciens et planétologues avec lesquels il a mené à deux missions de la Nasa – l’agence spatiale américaine – au Sénégal, en 2018 puis en septembre 2020.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 27 juin 2021 16:19
    • Sary nomena

    Toamasina : Feno 55 taona ny Petit séminaire Saint Paul Androranga

    Feno 55 taona ny Petit séminaire Saint Paul Androranga eto amin'ny Diosezin'ny Toamasina. Nankalazaina androany alahady faha 27 jiona izany izay notarihin'ny Son Éminence Cardinal Désiré TSARAHAZANA. Tonga nanome voninahitra izany ny Governora Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, ny Prefet ary ny Ben'ny Tanànan'i Toamasina Renivohitra. Nisy ihany koa fanolorana vary sy menaka ho fanohanana ny Seminera zandriny. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 juin 2021 12:17

    Fampianarana teny anglisy : Misy misoloky ny ambasady amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro

    Nanao fampitandremana amin'ny endrika fisolokiana ny ambasady amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro. Nambaran’ity farany fa mahalala ny fisiana fikambanana mitonona ho miara-miasa akaiky amin'ny ambasady amerikana amin'ny fampianarana teny anglisy, ary mampanantena mari-pahaizana atolotry ny ambasady amerikana. « Tsy mitombona velively izany », hoy ny ambasady. « Tianay ny mampahafantatra ny besinimaro fa, na dia miasa ho an'ny fampiroboroboana ny teny anglisy, sy manao ho laharampahamehana ny fampianarana teny anglisy aza izahay, dia tsy miara-miasa amina ivontoerana mampianatra teny anglisy sandaina vola », hoy hatrany ny fanazavana. Mampirisika anao izahay hitafa aminay, hoy ny fanabaràna, raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ireo hetsiky ny ambasady eto Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 juin 2021 20:16
    • Sary nomena

    Mahajanga : Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina

    Vita ary notokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Mahajanga. Atsoina hoe « Akory Haly» izy ity, izay natao ho fanohanana sy fanomezan-danja ny kolontsaina. Ahitana efitrano fanaovana fampisehoana na fijerena horonan-tsary misy toerana 550 nomena ny anarana hoe : "Oadraha" ilay fotodrafitrasa. Ahitana efitrano fampiratina, toeram-pamakiam-boky, efitrano ho an’ny mpanao gazety, efitrano fanaovana informatika sy efitrano fiofanana. Misy ihany ka fitaovana fanamafisam-peo sy zava-maneno. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 30 mai 2021 12:57
    • Sary nindramina

    Ambohimanga Rova : Doany roa rotiky ny afo

    Nitrangana haintrano eny Mahazaza, Kaominina Ambohimanga Rova, Distrika Antananarivo Avaradrano ny atoandron’ny sabotsy 29 mey 2021. Lasibatry ny afo tamin’izany ny fasan'Andriana sady Doany eny an-toerana. Nifanome tanana namono ny afo ny mponina sy ny Polisy, Zandary, Tafika ary ny mpamonjy voina avy amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tsy nisy ny fitohanan’ny fifamoivoizana ka nalaky tonga ireto farany. Nanome fiara nitaterana rano ihany koa ny tsara sitrapo teny an-toerana. Fotoana fohy dia voafehy ny afo.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 mai 2021 20:09

    HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

    “Ny Fanahy Fahamarinana no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra” (Jo 13, 20) Ho an’ny mpino katolika manerana ny NosyHo an’ny vahoaka malagasy sy ny tsara sitrapo rehetra, Homba anareo anie ny Fiadanana! Ry havana,Hafaliana ho anay Evekan’i Madagasikara ny nihaona tamin’ny alalan’ny « vidéoconférence », nifampizara vaovao sy nifampidinidinika. Isaorana Andriamanitra fa mafy orina ny finoantsika na dia eo aza ny fitsapana manohintohina ny fiainana ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Amin’izao Pantekôty 2021 izao dia tianay Raiamandreninareo ny mitondra hafatra amin’ny maha-dimbin’ny Apostoly anay, manohy ny iraka nankinina amin’ny Eglizy Reny, sady Mpampianatra no Mpaminany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 mai 2021 18:46
    • Sary nindramina

    Teatra Malagasy : Nodimandry i Ravaloson Milijaona na i Lija

    Misaona ny teatra malagasy. Nodimandry ny marainan’ny alahady 16 may 2021 i Ravaloson Milijaona na i Lija. Nanao fanambarana fampahafantarana ny fahafatesan’ity mpilalao teatra malagasy ity ny Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy na FMTM, toy izany koa ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Mpamorona tantara ihany koa i Lija, ary ny feo beso no tena nampiavaka azy tamin'ny hira fandravahana ny tantara. Rahalahin’i Ravaloson Mbato i Lija ary samy mpilalao teatra mpikambana ao amin'ny Tropy Jeannette izy ireo. Tropy teatraly niorina tamin’ny 1929 ny Tropy Jeannette, ary vao avy nankalaza an-tsehatra ny faha-90 taonany ny 2019. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 53