Toamasina: Dokotera hifa faty nihantona tao amin’ny hopitaly manarapenitra

  • dimanche, 24 mai 2020 16:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin’ny efitra nisy azy ny marainan’ity Alahady 24 may 2020 ity no nahita fa nisaringotra tamin’ny tadina seraoma ny tendan’ilay dokotera. Nifarimbona an’ity farany ireo mpiasan’ny fahasalamana nanao vonjy aina saingy indrisy fa tsy avotra intsony.

Dokotera Randriamamonjy Daniel, Inspecteur eo anivon'ny Dispensaire Urbain Toamasina I ao amin'ny Hopitaly Kely, ity namoy ny ainy androany ity.

Voamarina fa mitondra tsimokaretina Covid-19 izy, namonjy ny hopitaly manarapenitra CHU Morafeno izy rehefa nahatsapa fa nisy soritr’aretina niseho taminy. Omaly tolakandro izy sy mpiasa telo hafa no niditra hopitaly hitsabo tena, loza hafa indray anefa no niseho androany maraina.

Filohan'ny fikambanan'ny zanak'i Toliara eto Toamasina ity dokotera maty ity, 53 taona izy avy any Malaimbady ny fiaviany.

Nalevina avy hatrany io tolakandro io ao amin'ny fasam-bahiny ao Tanambao I ny nofo mangatsiakany, natrehin'ny solontenan'ny fianakaviana sy mpitsabo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.