CPI : Namoaka didy fampisamborana an'i Vladmir Poutine

  • samedi, 18 mars 2023 09:01
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Namoaka didy fampisamborana ny filoha rosianina Vladmir Poutine, ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisam-pirenena na ny Cour pénale internationale CPI, ny zoma 17 martsa 2023.

Ampangaina ho nanao heloka bevava amin'ny fanafihana sy famakiana ady an'i Ukraine izy, ary nanomboka ny 24 febroary 2022, dia nanondrana zaza tsy ara-dalàna avy any Ukraine nalefa an-tery any Rosia (Crimes de guerre et déportation illégale d'enfants d'Ukraine vers la Russie).

Raha ny lalàna iraisam-pirenena, indrindra ho an'ireo firenena nankatoa izany lalàna izany, dia terena hisambotra azy avy hatrany ireo firenena diaviny, ka hanolotra azy ny fitsarana any La Haye.

La Haye dia tanàna kely 98km², misy mponina 550 000 eo, tanàna fahatelo lehibe any Pays-bas, aorian'i Amsterdam sy Rotterdam.

Ny Rosianina moa tsy nanao sonia izany lalàna mifeha ny CPI izany, ary namaly bontana izy, fa tsy manan-kery aminy izany didy fampisamborana izany.


Maromaro moa ny filoha efa tratran'izao didy fampisamborana izao, fa metetika rehefa tsy eo amin'ny fitondrana intsony vao afaka nampiharina izany, toa ny filoha Côte d'Ivoire Laurent Gbagbo, izay nandà hatramin'ny farany, ka izy tafaverina an-tanindrazana izao, rehefa nandeha ny fifamelana tany an-toerana.

Slobodan Milošević, filoha n'i Serbie, rehefa nizara an'i Yougoslavie ny taona 1990, ka nahafaty olona 200 000 tany Croatie, Bosnie, Kosovo, dia nanangana Tribonaly iraisam-pirenena manokana hitsara ny raharaha ny ONU, izay tany La Haye no foibeny.

Tsy nanaiky izany fitsarana izany mihitsy Slobodan Milošević, ary niatrika ny fitsarana azy izy, izay nisokatra ny taona 2002. Tsy vita ny fitsarana, ary tsy nisy didy nivoaka, fa maty tany am-ponja nitazonana azy tany La haye izy, ny 11 martsa 2006, teo amin'ny faha 64 taonany, voalaza fa taizan'aretina tosi-drà izy, ary efa maty ora vitsy tao amin'ny efitra nitanana azy izy vao hita.


Ny ady rehetra, dia miafara eo ambony latabatra avokoa, aorian'ny fifanarahana, ka na izany, maty, na mihongana ny Filoha Rosianina Vladmir Poutine, na resy anady ny Rosianina, na tsy maintsy andalo aminy izany ny fifanarahana hifaranan'ny ady any Ukraine.

Ka ataon'ny Filoha Amerikanina, Frantsay, Alemanina, Angilisy, Pologne, sy izay Filoha tafiditra lalina amin'izao ady any Ukraine izao hifampiraharaha amin'olona izay enjehina sy tokony samborina avy hatrany.

I Sina, Inde dia tsy nanao sonia izany lalàna izany ihany koa.
Madagasikara nanao sonia ny 18 jolay 1998, ary nankatoa ho lalàna velona eto Madagasikara (ratification) ny 14 martsa 2008.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.