Lodisia : Iza no manana tombotsoa hamotika ny fihariana

  • mercredi, 23 novembre 2022 20:32
  • Tigre
  • Sary nindramina fampihaingoana

Anisan'ny seha-pihariana iankinan'ny tantsaha malagasy mpamboly amanetsiny ny famokarana, famarotana, ary fanondranana lodisia.

Miisa 40 000 mahery ireo mpisehatra mandraharaha mivantana ao anatin'ny fambolena lodisia.

Mandalo fahasahiranana, toy ny sehetra fanondranana vokatra hafa ihany koa ny lodisia, na ny nafitsoky ny valanaretina Covid-19, na ny fahasahiranana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, amin'ny ady any Ukraine, manginy fotsiny ny fiakaran'ny saram-pitaterana sy ny kojakoja ary fandaniana rehetra amin'ny sera iraisam-pirenena.

Manoloana izany anefa, ny fikambanan'ireo mpamboly, fikambanan'ireo mpanondrana sy mpikirakira lodisia, dia miezaka hatrany manatsara sy mampakatra ny lenta maha matihanina ny sehatra lodisia.

Vokatra mora simba ny lodisia, ary misy fepetra ara-pahasalamana betsaka. Takian'ny mpividy tokoa ny kalitaon'ny entana, ary tsy mitsitsy ny fepetra mety hahasimba na tsia ny fihariana.

Tsy nitsaha-nitombo anefa ny vokatra lodisia ahondran'i Madagasikara, raha 17 500 taonina izy teo aloha, dia tafakatra 20 000 taonina ankehitriny, ary mihamatihanina hatrany ny asa rehetra.

Anisan'ny sehatra hisian'ny mpandraharaha Malagasy maro ny sehatry ny lodisia, manomboka any amin'ny famokarana, ny fanangonam-bokatra, ny famarotana, ny fitaterana, ny fikirakirana azy alohan'ny anondranana azy, ary ny fanondranana any ivelany, ankoatr'ireo lodisia jifaina eto an-toerana, na ho anina amin'izao, na ahodina hanaovana konfitiora, na yaourt, na ranom-boankazo.

Nisy anefa ny fanambaràna sy fametrahana fitoriana nataon'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, Transparency International Initiative Madagascar, izay fikambanana malagasy, niorina ny taona 2000, manana tanjona ho amin'ny fampandrosoana ny mangarahara, ny ady amin'ny kolikoly, teo anivon'ny PAC, na ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, sy teo anivon'ny Fitsarana frantsay, mahakasika ny "fisiana tambazotra mafia" eo anivon'ny sehatry ny lodisia Madagasikara.

Maro moa ny fanehoan-kevitra nataon'ity fikambanana TI-MG ity, izay hita mihitsy ny fironany, toa ireny mpisehatra amin'ny lodisia ireny mihitsy, ary miaro ny tombotsoan'ireo mpandraharaha vahiny eo amin'ny sehatry ny lodisia.

Ampiasainy mavitrika amin'izay fanaratsiana ankitsirano, ireo mpandraharaha amin'arivony mivondrona ao anatin'ny fikambanana sy syndika n'ny mpamboly sy mpanondrana lodisia, ireo serasera vahiny.

Tsy nipetra-potsiny anefa ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin'ny lodisia, fa dia nametraka fitoriana an'i TI-MG ihany koa, satria dia manendrikendrika sy mandoto ny fihariana, izay vao misokatra izao ny taom-piotazana, maro rahateo ny fifanekem-barotra no mihemotra noho ny fanaratsiana an-tserasera iraisam-pirenena ataon'ny Transparency International Initiative Madagascar, izay Malagasy ihany no mitantana azy.

Nampanantsoan'ny Polisy ekonomika moa androany 23 novambra 2022, ny mpiandraikitra ny fikambanana manoloana izany fitoriana izany.

Na eo aza izay endrika entina hanimbana ny sehatry ny fihariana lodisia izay, hanomezana vahana ireo mpandraharaha vahiny, dia mitohy hatrany ny fanatsarana ny mahamatihanina, iarahan'ireo mpandraharaha Malagasy aman'arivony mivondrona manome aina ny seha-pihariana iveloman'ny Malagasy amanetsiny, ary iankinan'ny fampidiram-bola vahiny, tsy latsaky ny 15 tapitrisa Euro isan-taona eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.