Jirama : Tratran'ny delestazy sa sabotazy ?

  • mardi, 02 août 2022 13:07
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

Nanao fanambaràna ny Jirama fa noho ny fahatapahan'ny herinaratra, dia misy fiatoana ny famokarana rano ao Mandroseza Antananarivo, ka dia hisy fikorontanana ny fizaran-drano ho an'Antananarivo sy ny manodidina.

Zavatra mahagaga ihany ny hoe ny Jirama mpamokatra herinaratra indray no tsy manana herinaratra.
Ny toby famokaran-drano izany dia faritra mena, sady arovana manokana raha ny fandriam-pahalemana, arovana manokana tsy hisy olona hafa hiditra, satria mety hisy ny fanapoizinana na fandotoana ny rano vokarina ho jifain'olona aman-tapitrisany.

Mitovy amin'ny faritra toy ny hopitaly, izay faritra tsy azo avela anatin'ny haizina na fahatapahan-jiro, ka manana giropy manokana famokarana herinaratra ho azy, raha mety misy ny fahatapahana faobe.

Inona marina ary no mitranga ?

Tsy azo heverina fa avy aty ivelany ny olana. Sabotazy ve no mitranga, ka ho hisy fitaovana ho may tampoka, sy tsy mandeha. Marina fa miha antitra ny fitaovana ampiasaina, fa mampametram-panontaniana ihany ny zava-misy ankehitriny.

Efa fantatra moa fa misy andian'olona izay te hifehy manoka ity orinasa Jirama ity, ary mazava ny tanjona fa atao kenda roroka ny Orinasa, mba hilazan'ny mpanjifa fa aleo amidy na ho raisin'ny tsy miankina ny Orinasa.

Ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andry Ramaroson, moa rehefa nivahiny tao amin'ny fahitalavitra rahavavy, dia efa nanambara, fa mijafanenjana amin'ireo mpamatsy solika, satria teren'izy ireo aloa avokoa ireo fandaniana, izay heverin'ny fanjakana fa tsy tokony aloa, ka manery ny ampakarana ny vidin'ny solika, izay mitarika ihany koa ny tsy maintsy ampakarana ny vidin'ny jiro sy rano.

Raha ny angom-baovao dia misy elanelana 500 miliara ariary izany vola tsy hifanarahana izany. Ka na eo aza ny ezaka ataon'ny ministera, sy ny mpiandraikitry ny Jirama, dia misy ny kenda roroka amolahana ny Jirama ampakatra ny vidin'ny jiro sy rano. Manginy fotsiny ny mety sabotazy ao anatiny, izay fitaovana ampiasain'ireto mpanam-bola te hifehy ny Orinasa malagasy rehetra eto Madagaiskara izany.

Manodidina ny 60-80% moa ny finiavana ampakatra ny vidin'ny jiro ho an'ireo Indostrialy, izay hiteraka fiakaran'ny vidin'entana ilain'ny mponina ihany koa izay.

Ny mpanjifa hatrany no tratra farany, nefa ny fitakiana ny fakitira izay mavesatra dia mavesatra tokoa, tsy mifanentana amin'ny tolotra omena, ary ireo tena sahirana no mandoa lafo indrindra, satria ny rano atsakaina amin'ny paompy, dia vidiana 10 avo heny noho ny rano vatsiana any an-trano.

Lavitra ny tsiaro, fa teo aloha dia tsy nandoavana vola ny rano tety amin'ny paompy an'arabe, izay tsiahivina fa ny rano sy jiro dia zo fototra, fa tsy entam-barotra amidy akana tombony. Ary sampana stratejika izy io, ka tsy tokony ny vahiny na ny tsy miankina no hitantana azy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.