Pilo kely maraina : Hafahafa an, Patron hono e

  • vendredi, 13 mai 2022 07:49
  • Zakaria

Izahay izany ilay antsoina hoe Patron tompon'ny Orinasa, mandoa 13% ho an'ny Cnaps hisitrahan'ilay mpiasa Cnaps sy fisotroan-dronono, raha 1% monja no alaina amin'ny karaman'ny mpiasa.

Mandoa Ostie 5% ny mpampiasa ho an'ny mpiasa, raha 1% ny an'ny mpiasa.

Nefa izahay tsy misitraka Cnaps, na fisotroan-dronono satria hoe Patron. Raha marary tsy misitraka Ostie, fa soavaly mianto-bilona, sady tangenana no mbola mikaroka izay ho aniny, satria Patron.

Voaloa avokoa ny karaman'ny mpiasa, ny volan'ny entana nalaina, ny hofan-trano sy ny Jirama ary ireo fandaniana rehetra, nomena koa ny anjaran'ny banky, ny hetram-panjakana moa amin'ny taonina.

Raha misy ny ambiny, izay sarotra izay, vao mahazo vola ireo lazaina fa Patron.

Ny Patron no tonga voalohany any am-piasana mamoha trano, izy koa no mody farany manidy trano, miasa atoandro sy alina, mitondra asa mody, mivesatra izay fahadisoana nataon'ny mpiasa amin'ireo Client.

Ka iza izany no te ho Patron, fa fahoriana sy asa saina no miandry anao ao, raha mbola izao ny zavatra misy.

Ny fahafinaretana angamba sisa dia ilay antsoina hoe Patron. Fa Patron amin'ny T.

Soava ny andro e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.