Zava-dehibe ny fomban-tany : Malagasy iray isika na samy amin'ny fombany

  • mercredi, 13 octobre 2021 08:29
  • Super User

Malagasy iray isika, manana ny fombantsika, manana ny fiaviantsika, manana ny mahasamihafa antsika amin'ny firenen-kafa sy ireo mponina hafa.

Misy ireo fomba sy finoana ary fivavahana niditra teto amintsika taty aoriana. Misy ny tsara, ary mety misy ny ratsy amin'izy ireny. Mety misy mifanentana, mety misy mifanipaka amin'ny fombantsika.

Isaky ny faritra eto Madagasikara, dia samy manana ny fombany sy finoany avy ihany koa, misy ny tsara, ary mety misy ny ratsy.

Mivoatra arakaraky ny vaninandro io fomba io, na dia misy aza ny fototra tsy miova. Misy ireo voasoratra, nefa maro ihany koa ny mifindra am-bava sy miampita amin'ny taranaka amin'ny alalan'ny fitezana.

Izaho dia avy any avaratra ny fiaviako, teraka tany Fenoarivo atsinanana Toamasina, ny reniko avy Babaomby, Zafin'i Mena Antsiranana, ny raiko avy Mandritsara Mahajanga, manambady Merina aho, mazava ho azy tsy hitovy fomba sy finoana amin'ireo havana Malagasy amin'ny faritra hafa. Tsy midika izany ny hifanavakavaka, fa harena lehibe ho antsika io tsy fitoviana sy fananana fomba sy finoana samihafa io.

Ka mila mianatra sy mifampizara ary mandray ny an'ny hafa izany isika, hifankahalalana bebe kokoa, hitomboan'ny firaisan-kina amin'ny samy Malagasy.

Singaniko manokana eto ny an'ny Faritra Atsimo Atsinanana, Tao Ivato Vohipeno, izay ialako tsiny fa tsy haiko sy tsy voafehiko tanteraka, nefa tiako zaraina ny kely hitako sy haiko tany.

Maro foko any, ary samy sarotiny amin'ny azy. Mbola mipetraka tanteraka any ny fisian'ny Mpanjaka, izay efa tsy manana ny lanjany loatra izay amin'ny faritra sasany, na dia mbola marin-toerana eny amin'ny fiaraha-monina ihany aza matetika.

Anisan'ny tantara tsy azo fafana ny nipoiran'ny Fanjakana teto Madagasikara tamin'iny Faritra Atsimo Atsinanana iny, izay misy ny raki-tsoratra na ny SORABE. Ka mahatonga ny maro, indrindra ireo izay te hitondra fanjakana, mangataka any ampotony Tso-drano raha te haka fahefana eto Madagasikara, ka fahefana hiorenan'ny Fihavanana sy fandriam-pahalemana isaky ny faritra.

Tsy adino fa Andrianampoinimerina dia manila ao Atsimo atsinanana. Ny faritra Atsimo atsinanana izany dia mametraka hatrany fa avy ao aminy no nipoiran'ny Fanjakana teto Madagasikara.

Manana ny Tranobe ry zareo, izay toerana azon'ny rehetra hialofana, azon'ny rehetra ilana vonjy eo amin'ny fiaraha-monina. Ao no mipetraka ny Ampanjaka.

Misy fombafomba ny toerana, izay Masina sy hajaina tokoa. Ny Malagasy dia mametraka ny Masoandro ho ivo-toeran'ny fiainany, ka ny varavarana hidirana dia avy eo andrefana, ny tongotra havanana no miditra aloha eo ambaravarana, HAVANANA = fiHAVANANA, no ho entinao ao sy manjaka ao.

Andrianampoinimerina dia manila iny faritra Atsimo atsinanana iny, ka rehefa hiditra ny Rovan'ny Manjakamiadana, eo amin'ny tranon'Andrianampoinimerina dia ny tongotra havanana ihany koa no miditra aloha eo.

Tsy resaka finoanoampoana izany, fa fihetsika aseho ivelany ny zavatra tiana atao, sy Fihavanana tiana ho entina sy zaraina. Ka raha tsy madio fo amin'izay, dia naman'ny manota fady na managam-pahavalo.

Mazava ho azy, fa tsy miditra ao ny kiraro sy ny kapa fa mijanona eny am-baravarana. Ny vehivavy tsy maintsy manao lambahoany, mba tsy hiteraka fanafitohinana na fiantsiana na fakam-panahy ho an'ny lehilahy.

Ny varavarakely, toa varavarana mifefy atsinanana io izany (eto amin'ny sary), dia ny hiposahan'ny Masoandro, ka izay no angatahan-tsodrano amin'ny andro miakatra, na ny misandratrandro, izany hoe alohan'ny amin'ny 12ora atoandro, izay hilanan'ny andro, ka tsy mety anaovana Asa (A sorabaventy = Asa= Fitahiana sy Tso-drano).

Rehefa miamboho ny Ampanjaka, vao vohana io varavarana sy fefy eo atsinanana io, ka eo ny Ampanjaka niamboho no avoaka ny Tranobe.

Mizara 4 ny Tranobe (Points Cardinaux)
- Ny andrefana, fidirana ;

- Ny atsimo, misy ny fatoriana sy ny lakozia, hipetrahan'ny vadin'ny Ampanjaka, sy ny zaza amam-behivavy ;

- Ny Atsinanana, hipetrahan'ny Mpanjaka, ny Mpanjaka lehibe na i Dadilahy (Ragnandria) no mipetraka amin'ny Atsinanana ilany atsimo, manila amin'ny vadiny ;

Ireo Mpanjaka isaky ny faritra eo ambany fifehezany kosa mipetraka manaraka ny rindrina atsinanana, ilany avaratra miohatra amin'ilay varavarana atsinanana hidiran'ny Masoandro na hidiran'i Zagnahary.

Ary ny filaharany, dia manaraka ny antanan-tohatry ny fanjakana, miainga avy eo amin'ny varavarana atsinanana mandeha mianavaratra. Arakaraky ny analavirana mianavaratra atsinanana izany no maha kely antanatohatr'ilay mpanjaka isaky ny faritra.

Mitovy amin'ny resaka "Protocole de préséance" io izany ny seza hipetrahany, iza no eo aloha, iza no eo havanana, iza no ao aoriana. Ny azy ireo eto dia mipetraka manaraka ny rindrina atsinanana mianavaratra ny kely fahefana indrindra.

- Ny avaratra, dia ireo vahiny, ny tovolahy no mipetraka eo.

Talohan'ny tsodrano izany, dia nipetraka nangata-dalana teo amin'ny faritra afovoany avaratra, satria vahiny. Rehefa vita ny Tsodrano, dia noraisina toy ny zanaka an-trano, dia nakarina eo Atsinanana, fa andrefan'i Ampanjaka, satria izy no lehiben'ny Fanjakana, nefa nomem-boninahitra ka natao afovoan'ny Ampanjaka sy ny zanany nikisaka nanome toerana.

Rehefa mivahiny an-tanin'olona ka angata-tsodrano, dia mitondra fanatitra, izay foy, fa ny azy dia mandeha tsi-telotelo, na 6 na 9. Izay no ijoroan'ny rano mamy 3, na toaka gasy 3. Raha arahim-bola, dia na telo arivo, na telo alina, na telo hetsy, na telo tapitrisa...

Izaho moa nanao ny fombanay avaratra, ary niherako ny mety ho fahadisoana sy ny tsy fitovian'ny fomba, ka dia ny harenako rehetra no natolotro ho fanajana ny Tompon-trano.

Aminay avaratra agny ny mariky ny harena rehetra, dia entina ny karazam-bola rehetra misy, amin'ny vola taratasy (azo atao ihany koa ny mitondra ny vola vy), 100ar, 200ar, 500ar, 1000ar, 2000ar, 5000ar, 10 000ar, 20 000ar (mbola tsy nisy ity farany izaho tany).

Izany hoe tsy vola isaina izany no tanjona hoe ohatrinona, ka sandaina vola ny fiHAVANANA, fa ny toe-tsaina madio manolotra ny hananana rehetra. Vola FENO na harena na voninahitra FENO izany no atolotra avy amin'ny fo mahitsy.

Ny rano hitsofan-drano dia nalaina tao Matitanana, izay renirano mahery manan-kasina amin'ny toerana, ary ny ravin-kazo nanafazana ny rano, dia nampanalaina tovolahy, avy amin'ny fokon-dray, mbola tsy maty ray, tsy maty reny, misy karazany sy anarany io ravin-kazo io TSONGOLOVOLO, hazo izay sarotra vonoina, fa mitsiry hatrany na esorina amin'ny fakany aza.

Endrika ivelany ilazana izany, fa Tsodranon-drazana Ampanjaka, Mahery (rano), ary tsy maty vonoina (raviny).

Raha misy ny fampiasana ny Toaka Gasy, dia midika ho rano Mahery, satria ao anatin'ny Toaka Gasy no ahitana ny AFO mandoro miaraka amin'ny RANO, izay zavatra tsy tokony ho tafaraka, nefa noho ny hery ananany dia mitambatra izy. Tsy miasa eo izany ny Whisky sy ny Rhum satria tsy mirehitra ny Rhum.

Fiatsaram-belatsihy izany ny fanakanana sy fanenjehana ny famokarana Toaka Gasy io, nefa ireo mpitondra rehetra mangata-tsodrano na ireo Malagasy rehetra manao fomba, na ankafaliana na ampahoriana, toy ny miditra anaty fasana, dia mitondra sy mamafy Toaka Gasy avokoa. Mila jerena anefa ny resaka fahasalamana ho an'ireo lasa manao fahazarana misotro ny Toaka Gasy.

Rehefa mivoaka ny Tranobe, dia ny varavarana ao andrefana ihany no andehanana, fa mihemotra tsy miamboho ny Ampanjaka, raha tsy efa akaiky varavarana. Raha ny ao amin'ny tranon'Andrianampoinimerina dia tongotra HAVIA no mivoaka mialoha, ny ao Ivato Vohipeno Fenovola kosa tsy tadidiko, fa toa izay ihany koa.

Fifanakalozana ny antsika, raha misy ny diso, na misy ny tsy feno, izay azoko antoka fa betsaka ny latsaka, dia ialana tsiny tanteraka amin'ireo havana avy any, dia maniry ireo havana avy any an-toerana, na ireo mahafehy izay anitsy na ameno ny tsy ampy.

Salagnitry e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.