Covid-19 : Rehefa vita Vaksiny ny 70% n'ny Malagasy vao azo heverina fa tapitra sy voafehy ny valanaretina

  • vendredi, 01 octobre 2021 17:38
  • Super User

Manentana ny rehetra hanao vakisiny hiarovana amin'ny Covid-19.

Ny Vaksiny no vahaolana amin'ny mety fihitaran'ny valanaretina, ka ahafan'ny Firenentsika tsy hiolonolona irery eto, hampisokatra ny sisin-tany, hivezivezen'ny olona sy ny entana malalaka, na eto an-toerana na any ivelany, na ireo Malagasy manao fihariana, na ireo vahiny hitsidika ny tanintsika hidiran'ny vola vahiny, sy ampandroso ny fiariana fizahantany, ireo mpandray vahiny, mpanofa fiara sy ireo asa tanana maro miankina betsaka amin'ny fizahantany.

Manantona ireo Tobim-pahasalamana akaiky antsika. Mitondra fotsiny phocotocopie karapanondro, tsy misy 15minitra dia vita hatramin'ny famenoana ny taratasy, ny vakisiny 1 minitra dia vita. Arovy ny ainao sy ny fianakavianao sy ny manodidina anao.

Mankasitraka ireo mpiasan'ny fahasalamana, ireo dokotera sy mpanampy azy, ireo Bénévole sy tsara sitrapo manolo-tena manampy ny mpiara-belona, izay tokony ho jerena manokana ny fitsinjovana azy ireo.

Mirary soa.
Patrick 
(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.