Fiaran-dalamby FCE : Mbola tsy nahavaha olana ny lohamasinina vaovao

  • mardi, 21 septembre 2021 10:55
  • Tigre
  • Sary nomena

Fianarantsoa - Manakara, dia miankina tanteraka amin'ny fiaran-dalamby ny toerana maro eo anelanelan'izy ireo, ka dia tsy haitraitra ny fisian'ny Fianarantsoa vers La Côte Est (FCE) izay hitondrana mpandeha sy amoahana vokatra amin'iny faritra iny.

Nanafatra lohamasinina roa anefa ny mpitondra hanatsarana ny tolotra. Hatreto anefa dia mbola tsy voavaha ny olana, satria dia miaraka ampiasaina hatrany ireo lohamasinina vao nafarana sy ireo efa tranainy mbola miasa.

Manao tosi-droa mihitsy aza moa ny lohamasinina, ka dia ny iray vao nafarana misarika, ny iray hafa teo aloha manosika.

Mipetraka ny olana amin'ny fitantanana, matetika tara 2 na 3 volana ny karaman'ny mpiasa.
Misy ireo mpiasa tokony hisitraka ny fisotroan-dronona nefa tsy mahazo izany.

Misy ihany koa fitarainana avy amin'ireo mpandeha, fa na ny mpiasa aza lasa ifampitadiavana eny ampandehanana rehefa mijanona mamatratra entana ny fiaran-dalamby, kay mbola lasa "nirevy" ireo mpiasa hoy ny fitarainana, ka ry zareo indray no andrasana.

Maharitra ela loatra ny dia, raha 14ora no akana ny 170km manala an'i Fianarantsoa ho any Manakara, miala amin'ny 07ora maraina, efa misasakalina vao tafiditra Manakara.

Ny miverina aza moa raha miala 07ora maraina ao Manakara dia efa amin'ny 04ora maraina ny ampitso vao tafiditra Fianarantsoa.

Raha ny fanazavana moa dia voatery ampiarahana ny fitaterana olona sy ny entana satria tsy mahaloa ny sarany ny vidiny raha mpandeha irery no taterina.

Satria raha ny vina, dia tafakatra 150 000ar ny saran-dalana olona tokana raha tsy misy entana taterina, nefa ankehitriny dia 30 000ar ihany ny saran-dalana Fianarantsoa - Manakara, ary 70 000ar ho an'ny classe touristes.

Entana 15 ka hatramin'ny 30taonina no baben'ny fiaran-dalamby, ary matetika misy ny fahasimbana, indraindray aza dia maharitra 03 andro ny dia.

Velo-taraina ireo mpampiasa ny fiaran-dalamby sy ny mpiasa, mba hijeren'ny fanjakana manokana ity FCE ity, satria misy ny ahiahy amin'ny fahadiovan'ny fitantanana, ny fomba nividianana ilay lohamasinina moa efa tsy resahina intsony fa nampisy resabe tato anatin'ny Orinasa.

Manantena fiovana goavana avy amin'ny Minisitry ny Fitaterana, Tinoka Roberto, izahay hoy ireo mpiasa nanamafy ny mila hijerena ny zava-misy amahana ny olana izay mamparefo ity orinam-panjakana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.