Toetr'andro: Mila firaisan-kinan'ny rehetra

  • samedi, 25 janvier 2020 10:47
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mbola ao anatin'ny famonjena tanteraka ireo havana dibo-drano sy rava fonenena isika izao.

Ilaina ny firaisan-kinan'ny rehetra.
Mila mivoaka daholo ireo Miaramila, Zandary, Polisy afaka miara-mientana amin'ny fokonolona. Izay afaka manampy ara-pitaovana sy ara-bola moa dia efa misy ny afaka mandray izany, na fikambanana na BNGRC na ireo fandaminana apetraky ny mpitondra.

Aoriana isika vao miady hevitra ny tokony atao manaraka, satria mbola tsy tapitra io andro ratsy io, mbola ao anatiny tanteraka isika izao. Nivadika ho rivo-doza antsoina hoe Diane ilay rivotra be teto, manambana any Maurice sy La Reunion izy zao. Ho avy koa aorian'io ny rivodoza antsoina hoe Esami.

Ny rivo-doza, tsy toy ny horohoron-tany izay tampoka, fa izy hita sy fantatra ny fiforonany, ny lalana alehany, efa azo atao izany ny miomana mialoha, mandray fepetra, mandefa mialoha ireo fiatrehana ny loza mety hiseho.

Na eo aza ny fiovaovan'ny toetr'andro, na ny fahasimban'ny tontolo iainana, ny eto amintsika, dia tsy izay no anton'io tondra-drano lava io, fa isika tsy manana politika fifehezana rano, na ny fotodrafitrasa mifanaraka amin'izay, na ny firafitry ny trano, ary indrindra ny fenitra fonenana, plan d'urbanisme.

Ataotsika resaka manaraka izay, fa samia mifanampy fa samy Malagasy.

Vitatsika io.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.