Rano: Maridrefin'ny fandrosoana

  • mercredi, 09 octobre 2019 09:41
  • Super User
  • Sary Vitatsika sy nomena

Singa faran'izay madinika ny rano ary rehefa mitambatambatra dia lasa ranobe.

Faran'izay tsotra izy, izay hanaovana azy dia arahiny avokoa ny endrika omena azy.

Nefa dia matanjaka izy. Mamelona izy, 80 % n'ny vatan'olombelona dia rano avokoa.

Nefa mamono sy mahery koa izy raha setrasetraina.

Kajio ary ny rano fa aorian'ny ady amin'ny pétrole dia hitranga ny ady rano.

Ananantsika maro izy na ety an-tanety na an-dranomasina, fa tsy ampy ny fifehezana ny rano, izay azo ambolena, ihompiana, ary sotroina na ampiasaina andavan'andro.

Tsy entam-barotra ny rano, na ekena fa misy manao seha-pihariana amin'izany, fa Zo fototra omena ny Malagasy rehetra kosa ny rano, na ho an'ny fambolena sy fiompiana izany, na ho fisotro madio sy fidiovana.

100 litatra isan'olona, isan'andro ny filana fototra eo amin'ny olombelona, sotroina, anaovana sakafo, idiovana.

Ho an'ny firenena efa mandroso kosa dia tafakatra hatrany amin'ny 1000 litatra, na 1500 litatra isan'andro isan'olona, satria izy dia ny WC indray mandeha dia efa 12l (chasse d'eau), ny baignoire 200l, ny piscine sy ny fanasana fiara, ary ny fanondrahana zaridaina...

Ny tontolo iainana anefa efa miova, ary mihamafana ny tany, mihena ny rano, mitsonika ny lagilasy any amin'ny faritra mangatsiaka, ary miakatra haavon'ny ranomasina.

Ilaina izany ny fikajiana ny rano amin'ny alalan'ny fahaizana mampiasa azy, ny rano maloto mbola azo tatazana ampiasaina amin'ny zavatra hafa, na diovina dia averina ampiasaina, na anondrahana voly na anadiovana arabe sy tanàna.

Tsara raisin'ny fanjakana an-tanana izany ny fikajiana sy ny fanomezan-drano ho an'ny rehetra. Zo fototra io. Tsy amidy hitadiavam-bola ny rano fa fandraisana anjara no apetraka.

Atao malalaka izay orin'asa, ankoatran'ny Jirama, hamokatra herin'aratra na rano madio fisotro na rano ho an'ny fambolena sy fiompiana, na ranomasina ahodina ho lasa ranomamy.

100 litatra isan'andro isan'olona no Zo fototra ho an'ny tsirairay.

Ny ambonin'izay no tokony ho vidiana.

Raha ny Tetibola anatanterahina an'izany :

415 Ariary izao no amarotan'ny Jirama ny 1m3 na 1000 litatra eto Antananarivo. ireo mividy amin'ny sceau matsaka amin'ny 2 maraina indray no mividy lafo amin'ny bidon 20litatra.

Raha olona 5 ny ao an-tokatrano, dia mahalany 100l x 5 x 30j= 15m3 isam-bolana izany ny toka-trano iray.

Mitentina 15 m3 x 415 ariary= 6 225 ariary isam-bolana, isan-tokatrano izany ny vidin-drano fototra, 74 700 ariary isan-taona.

300 miliara ariary eo izany ho an'ny tokantrano 4 tapitrisa. Eo amin'ny 100 millions de dollars isan-taona eo izany.

Vidina permis minier 01, mitovy ny tany Soalala, izany dia mahazo Zo fototra ho an'ny Malagasy rehetra herin-taona.

Ilaina ny fanavaozana tanteraka ireo fotodrafitrasa, na ny station d'épuration, fanadiovan-drano, na ny fantsona lehibe, ny château d'eau, ny pipeline, ny station de captage, ny barazy...

Tombanana any amin'ny 5 milliards de dollars any izany manerana ny Nosy.

Noresahintsika teo fa vita ny ady amin'ny pétrole dia hiditra ny ady amin'ny rano. Misy ireo bloc pétrolier tsika ireo azo hifanarahana ny permis d'exploitation aminy, Tsimiroro efa mamokatra fa najanona, ireo bloc pétrolier rehetra ao amin'ny faritra andrefana dia misy 1 500 milliards de barils de pétrole disponible (Tarehi-marika navoakan'ny OMNIS sy ireo fikarohana iraisam-pirenena).

Raha mbola mety ho lavitrezaka izany, dia ireo rano efa mikoriana aloha no efa fehezina, amin'ny alalan'ny fampiasana ireo tanora an-tapitrisany tsy manana asa, izay azo ampidirina Service Nationale avy hatrany.

Ny faritra atsimon'ny Nosy izany tsy hijanona amin'ny laza ratsy kere intsony.

Maro ireo manam-pahaizana nivoaka teny amin'ny Polytechnique, ireo mpampianatra, ampiasao izy ireny.

Vitatsika io.
Patrick

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.