Editorial
-
- samedi, 18 mars 2023 09:01
- Tahirin-tsary nindramina
CPI : Namoaka didy fampisamborana an'i Vladmir Poutine
Namoaka didy fampisamborana ny filoha rosianina Vladmir Poutine, ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisam-pirenena na ny Cour pénale internationale CPI, ny zoma 17 martsa 2023. Ampangaina ho nanao heloka bevava amin'ny fanafihana sy famakiana ady an'i Ukraine izy, ary nanomboka ny 24 febroary 2022, dia nanondrana zaza tsy ara-dalàna avy any Ukraine nalefa an-tery any Rosia (Crimes de guerre et déportation illégale d'enfants d'Ukraine vers la Russie). Raha ny lalàna iraisam-pirenena, indrindra ho an'ireo firenena nankatoa izany lalàna izany, dia terena hisambotra azy avy hatrany ireo firenena diaviny, ka hanolotra azy ny fitsarana any La Haye.Lire la suite ... -
- jeudi, 16 mars 2023 19:03
- Tahirin-tsary fampihaingoana
Nitaiza zana-baratra
Tandindomin'ny fifdianana ny mpanao politika malagasy amin’izao fotoana izao. Miseho ny fifampiandaniana samihafa. Ny sehatry ny fanoherana dia efa zary mahazatra ny fomba fiteny sy fanehoan-kevitra, indrindra ny fihetsika ampiarahan'izy ireo amin’izany. Eo ny TIM, RMDM, PANORAMA, LERA, HIFIM sy ny hafa. Ny anaty fitondrana no mahavalalanina ny mpanara-baovao, hatramin’ny sarambabem-bahoaka heverina hifidy. Miseho ampahibemaso ireo mpanao politika niara-dalana sy nanohana, ary nampakatra an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana, manohitra sy manankiana azy amin’ny izao volana vitsivitsy mialoha ny daty natolotry ny CENI hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena izao.Lire la suite ... -
- jeudi, 02 mars 2023 12:03
Politika : Ampiady antsika io fifidianana Filoham-pirenena io
Lazaina hatrany fa ny demokrasia no fenitra ara-politika ampandrosoana ny firenena iray. Fa tsy lazaina amintsika hoe demokrasian'ny tandrefana manam-bola, miaraka amin'ny kolotsaina sy fomba amam-panao ananany, izay rafitra tiany volena eto izay. Ekena fa ny Vahoaka no andria-manjaka tompon'ny fahefana, ary mampindrana izany fahefany izany amin'ireo olom-pinidiny. Fa izay marina ve no misy eto amintsika, sa Vahoaka zaraina tee-shirt, dia omena fotsim-bary 1 kapoaka, dia ampandihizina vody, dia lany izay kandida nahavita nivarotra Tanindrazana be indrindra, ka naka vola mihoatran'ny 180 000 000$ (769 miliara ar) tamin'ireo vahiny, izay lasa tompom-pahefana manao izay tiany rehefa lany ilay sari-bakoly nomeny vola hanaovana fampielezan-kevitra ?Lire la suite ... -
- mardi, 28 février 2023 09:36
- Sary nindramina
Fantatrao ve : Nahoana ny volana febroary no 28 andro ?
(Somary lava sy tekinika kely) Eto ampiadohana aloha dia ampahatsiahivina, fa boribory toy ny baolina ny tany, izay sady mihodina ihany koa amin'ny tenany, toy ny tandrimo, ary misy ny Volana, izay toy ny baolina ihany koa, mihodidina ny tany, ary manaraka azy amin'izay alehany rehetra. 12 742 km ny savaivon'ny tany (Diamètre de la terre)384 400 km ny elanelan'ny tany amin'ny Volana. Ny masoandro dia tsy mihetsika, 149,6 millions km miala amin'ny tany.Ny tany, dia mihetsika mihodina amin'ny tenany, no sady mandeha manodidina ny masoandro, somary manao elypse (na boribory lavalava), ka entiny manaraka azy mihodidina aminy ny Volana.Lire la suite ... -
- samedi, 25 février 2023 20:02
- Tahirin-tsary nindramina, fampihaingoana
Ady any Ukraine : Afaka mampiditra ny Firenena amin'ny ady mety aharitra ve ny fitondrana, raha 6 volana sisa no ananany
Tamin'ny fifidianana natao teo anivon'ny Firenena mikambana ny 02 marsa 2022, nitaky ny analan'i Rosia, miaraka amin'ny vava, tsy misy fepetra, ny andian-tafika any Ukraine, ary manameloka an'i Rosia amin'ny mety ampiasany fitaovam-piadiana nokleary, dia nisafidy ny tsy homba ny atsy na ny eroa i Madagasikara. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, fa nanomboka nampiseho ireo tandrefana, ny Eoropeanina sy Amerika avaratra, fa manohana an'i Ukraine, ary dia nanao fahirano ara-toekarena an'i Rosia.Namaly ihany koa ny Rosianina, ka dia tsy nanaiky hamatsy solika sy gaz an'ireo firenena izay tsy mividy amin'ny vola rosianina Rouble. Nanomboka nampiseho ireo firenena tandrefana, fa izay firenena manohana an'i Rosia dia ho ataony fahirano ara-toekarena sy ara-bola ihany koa.Lire la suite ... -
- lundi, 13 février 2023 12:18
- Sary nindramina
Géopolitique : Mahay maka lesona ve ny Afrikanina, indrindra i Madagasikara
Anisan'ny taranja matetika tsy noraharahiana tany ampianarana ny Tantara Jeografia, fa hoe ilaina amin'ny fanadinana fotsiny dia natao tsianjery. Raha hiverenana anefa ny tantaran'ny ady lehibe roa, na ny tamin'ny 1914-1918, indrindra ny tamin'ny taona 1939-1945, dia ady tany tamin'ny firenena mifanila hatrany ny fototry ny olana, ambonin'izany ny fanerena te hampanjaka ny foto-kevitra hijoroany. Niova kely fotsiny izany taty aoriana, niampy ny fanandevozana, sy ny fakana an-keriny ny harena ao amin'ilay firenena iray zanahana. I Afrika dia nanana akora ilain'ny tandrefana, izay nanana ny teknoljia, vokatry ny fikarohana nandritra ny ady, izay nanery azy hanana tombony haingana amin'ny firenena niady taminy. Hita tamin'izany ny firoboroboan'ny fifandraisan-davitra, satria mila mifandray amin'ny tafika eny an-kianja, ny firoboroboan'ny fiaramanidina sy ny fitaterana an-dranomasina, izay ahafahana midaroka ny ankilany, eny nifarana tamin'ny bomba atomika, namarana ny ady tany Japon ny taona 1945.Lire la suite ... -
- samedi, 11 février 2023 10:45
Politika : Mametra-pialana Andry Rajoelina alohan'ny 19 septambra 2023
Efa fantatra fa taonan'ny fifidianana ity taona 2023 ity, satria dia tapitra ny fotoam-piasan'ny Filoham-pirenena, ny Ben'ny tanàna, ary tsy ho ela ihany koa ny an'ireo Solombavam-bahoaka. Maharitra 5 taona ny fepotoam-piasan'ny Filoham-pirenena, ary izany dia manomboka ny andro anaovany fihanianana. Ny Filoha Andry Rajoelina dia nanao fihanianana ny 19 janoary 2019, noho izany dia tapitra ny 19 janoary 2024 ny fotoam-piasany.Manery ny CENI sy ny Governemanta izany ny Lalampanorenana, raha tiana hajaina, hanao fifidianana alohan'izay, ahazoana Filoham-pirenena, andray ny asany 19 janoary 2024, raha ela indrindra. Raha ny fifidianana Filoham-pirenena teto hatramin'izay anefa, dia nisy hatrany fiodinana indroa, satria tsy nisy kandida avy dia nahazo ny antsasamanilan'ny mpifidy (50% +1) avy hatrany tamin'ny fiodinana voalohany. Ankoatran'ny tamin'ny 2002 izay nisy korontana be, ary tsy neken'ny maro iny, izay niteraka krizy goavana. Raha ny soso-kevitra mandeha eo anivon'ny CENI dia ny alakamisy 09 novambra 2023 no atao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ary ny alarobia 20 desambra 2023 kosa ny fihodinana faharoa, ahatrarana ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena alohan'ny 19 janoary 2024.Lire la suite ... -
- jeudi, 09 février 2023 09:47
- Sary nindramina
Ady any Ukraine : Mangataka fiaramanidina mpiady i Zelensky
Tonga any Londres ny filoha okrenianina Volodymyr Zelensky ny alarobia 08 febroary 2023, notsenain'ny Praiminisitra Britanika Rishi Sunak teny amin'ny seranam-piaramanidina Stansted, ary nihazo an'i Paris ka hiaona amin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, sy ny Chancelier allemand Olaf Scholz. Anisan'ny lahadinika sy fangatahana nataony amin'ny Frantsay sy Allemand ny hanomezana an'i Ukraine fiaramanidina mpiady hanoherany an'i Rosia, izay ady efa ahatratra taona iray amin'ny 24 febroary ho avy izao. Taorian'ny fihaonana dia nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao gazety, ary hiazo an'i Bruxelle ireo Filoha telo lahy, anio alakamisy 09 febroary 2023, hiatrika ny fihaonamben'ny vondrona Eoropeanina. Efa nisy moa fangatahana fiara mifono vy nataon'ny Ukraine tsy ela izay, ary neken'ny Allemand sy Amerikanina, fa noho ny fiofanana sy ny fanamboarana ireto fiara mifono vy ireto, dia mety afaka 6 volana fiara mifono vy Leopard 2 an'ny Allemagne vao tonga, ary heri-taona kosa ny char Abrams amerikanina, dia izao mangataka fiaramanidina mpiady izao indray ny Okrenianina.Lire la suite ... -
- lundi, 30 janvier 2023 17:14
- Tahirin-tsary nindramina fanehoana
Tanjaka ara-tafika aty Afrika : Mitana ny laharana faha 31 i Madagasikara
Araky ny fandaharana nataon'ny Global Fire Power (GFP), mpahay momba ny fiarovana dia i Egypte no mitana ny laharana voalohany aty Afrika raha ny hery ara-tafika, ny fiandohan'ny taona 2023, manaraka azy Algérie, Afrika atsimo, Nigeria ary Ethiopie. Amin'ireo firenena maneran-tany 145 dia mitana ny laharana faha 14 i Egypte. Eo amin'ny 60 eo ny masotsivana andaharana ny firenena maneran-tany, tafiditra ao anatin'izany ny isan'ny miaramila amperinasa, ny hery an-dranomasina, ny fisian'ny tobitsolika famatsiana ara-tafika, ny isan'ny fiaramanidina mpiady, ny teti-bola natokana ho an'ny fiarovam-pirenena, ny kojakoja miaramila sy ireo fitaovam-piadiana afaka ampiasaina.Lire la suite ... -
- mercredi, 25 janvier 2023 15:12
- Sary fanehoana nindramina, char Leopard 2
Ady any Ukraine : Nanaiky anome fiara mifono vy ny Allemand
Niteraka adi-hevitra be teo amin'ireo firenena mpanohana an'i Ukraine ny fisalasalan'i Allemagne andefa fiara mifono vy, na char blindé ho an'i Ukraine, satria dia manana anarivony eo, miparitaka any amin'ireo firenena manamorona an'i Ukraine ireo fiara mifono vy ireo, nefa araky ny fifanaraham-barotra amin'ny resaka fitaovam-piadiana, dia tsy azon'ireo firenena namarotana ny fitaovana no mandefa, na mivarotra, na mampindrana, na mampiasa izany fitaovam-piadiana izany ivelan'ny firenena namarotana azy, raha tsy mahazo alalana avy amin'ilay firenena nivarotra. I Pologne anefa nilaza mazava fa anome an'i Ukraine fiara mifono vy vita alemanina, na anaiky i Alemanina na tsy anaiky, eo ihany koa i Espagne, i Finlande manolo-tanana an'i Ukraine amin'ny fampiofanana ny fampiasana azy. Manamora ny fampiasana ity fiara mifono vy ity ny amaroany efa miparitaka any Eoropa, na ny fampiofanana, na ny piesy fikojakojana azy.Lire la suite ...
Page 1 sur 100