« FORUM DE LA DIASPORA » : Hotontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 Jolay 2023 eny amin’ny CCI Antananarivo ny andiany faharoa
- vendredi, 17 mars 2023 18:39
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hikarakarana ny fihaonamben’ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany, « FORUM DE LA DIASPORA » andiany faharoa, izay hotontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 Jolay 2023, eny amin’ny CCI Antananarivo.
Tohin’ny Fihaonambe andiany voalohany izy ity, izay nentina nandinika ny lohahevitra mikasika ny « diplomasia ara-toekarena », ka hamaliana indrindra ny fanontaniana hoe, ahoana no hahafahan’ny Malagasy miasa sy monina any ivelany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena, ka hanamorana ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana azon’izy ireo atao eto Madagasikara.
Hasaina amin’ity hetsika ity ireo Malagasy avy any ivelany, izay manana tetikasa tiany hotanterahina eto amintsika ho avy amin’io fotoana io, satria hanome tanana sy hanampy tosika azy ireo ny Fanjakana.
Hisy ny zotram-piaramanidina manokana hanampy ny zotra efa misy mahazatra, hahafahan’izy ireo ho tonga maro aty Madagasikara mandritra io fotoana hanaovana ny fihaonambe io.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra koa ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fikarakarana ny hetsika.
Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.