Amerika : Nijoboka ny banky Silicon Valley Bank, Signature Bank ary Silvergate
- vendredi, 17 mars 2023 09:51
- Sary fanehoana nindramina
Nifanenjehana ny haka vola tamin'ireo banky lehibe amerikanina ireo noho ny fahasahiranana amoaka vola ho an'ireo mpametra-bola ao aminy.
Banky anisan'ny manana ny toerany, mpamatsy vola ireo orinasa misera momba ny hairaha na ny haute technologie ao Silicon Valley ireto banky ireto.
Mampahatsiahy avy hatrany ny krizy iraisam-pirenena ara-bola tamin'ny 2008, na ny fikatonan'ireo banky tamin'ny crise des subprimes, nateraky ny trosa tsy voaloa teo amin'ny fividianana sy fanamboarana trano.
Ity mitranga ankehitriny ity indray dia ny fijoboky ny hairaha, ary ny fampiakarana ny zana-bola ho 4%, raha toa ka nisy mihitsy aza fotoana nisian'ny taux négatif, izany hoe ny mpametra-bola indray no mandoa zana-bola amin'ny banky, ary ny banky mampindram-bola amin'ny taux zero, na koa hoe samy afaka mindram-bola ny rehetra ka tsy akana zana-bola.
Nijoboka nanaraka ity banky ity ihany koa ny tsenam-bola rehetra, ary nisamboaravoara ny cryptomonnaies, ka nandraisan'ny Amerikanina fepetra ny amin'ny fiantohana ny fanonerana ny vola izay napetraky ny mpametra-bola ao amin'ny banky.
Tao anatin'ny indray andro monja, dia 42 milliards de dollar no nisotomin'ireo mpametra-bola tao amin'ity banky ity, ka avy hatrany dia nakatona aloha ny banky.
Tsy mbola nampatoky ny maro anefa izany, satria ny volan'ny client no entohan'ny banky federaly amerikanina, na Banky foibe any Amerika, raha bankirompitra ilay banky, fa ny petra-bolan'ny actionnaire na ny mpisera ara-bola tsy misy miantoka, fa dia very, koa dia samy nivarotra ny petra-bolany avokoa ireo mpanam-bola, izay nitarika crise maro.
Teo moa ny Covid, nandraisana ilay fepetra nanalalahana ny findramam-bola, eo ihany koa ny ady any Ukraine, na dia ny Amerikanina aza no tena nahazo tombony ara-toekarena amin'ny ady, satria dia nitodika nividy solika sy gaz any Amerika avokoa ireo firenena tandrefana, nefa ny vidiny ny azy midangana ambony.
Ny Rosianina moa, raha ny voalazan'ny FMI, dia niakatra be ihany koa ny harikareny, satria na nihena aza ny fanafarana entana tany aminy noho ny antsonjay sy sazy ataon'ny tandrefana aminy, dia nanokatra lalam-barotra maro sy lafo vidy kokoa any atsinanana i Rosia, toa ny any Chine sy Inde.
Tafakatra 2.1% ny hari-karena faobe any Rosia ny taona 2024, raha ny nambaran'ny FMI hatrany, mihoatra noho ny any Eoropa.
Ny Rosianina no nofaizina, ka ny banky amerikanina no niondrika.
Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.