Letisia any Atsimo Atsinanana : Nihena ny vokatra noho rivodoza “Emnati”

  • lundi, 21 novembre 2022 20:14
  • Sary DRICC

Efa nisokatra ny alahady 20 Novambra 2022 ny taom-piotazana letisia ho an'ny Faritra Atsimo Atsinanana.

Nanomboka roa andro alohan’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia any amin’ny faritra Atsinanana ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ny alahady 20 Novambra dia efa nalalaka ny tsenan’ny letisia any an-toerana araka ny Didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny Faritra.

Somary nihena ny vokatra raha oharina tamin'ny taona lasa noho ny fandalovan'ny rivodoza “Emnati” tany amin'ny faritra Atsimo Atsinanana. Nanampy trotraka koa ny tsy fisian'ny rotsak'orana amin'ny vanim-potoana ilan'ny vokatra izany.

Noho izany rehetra izany dia nandrasana ho matoy tsara ny letisia vao notazana, ary azo namidy. Vinavinaina ho 5 000Ar ny iray garaba amin'izany.

Ho an’ny faritra Fitovinany sy Vatovavy kosa dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny varotra sy ny avy amin'ny Fitaleavam-paritry fambolena ary ny Faritra, ny Alakamisy 17 Novambra 2022, nijerena raha efa matoy ny letisia.

Hita fa miandry rotsak'orana kely izany dia efa azo hohanina soa aman-tsara.

Hisokatra tsy ho ela koa ny taom-piotazana 2022 any amin'ny faritra Fitovinany sy Vatovavy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.