Fandraharahana : Hisy fanohanana ireo vehivavy marefo sy ireo vehivavy manana fahasembanana any Atsimo

  • mercredi, 21 septembre 2022 19:01
  • Sary MICC

Nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia tetsy amin’ny Hôtel Grand Mellis Tsaralalàna androany 21 Septambra 2022, ny fiaraha-miasa eo amin’ny CRS Madagascar sy ny Ministeran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC), amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE).

Tanjona ny fampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’ireo vehivavy marefo sy ireo vehivavy manana fahasembanana any amin’ny Distrikan’i Beloha sy Tsihombe (Faritra Androy) sy ny Distrikan’Ampanihy (Faritra Atsimo Andrefana).

Tafiditra tanteraka anatin’ny fanatanterahana ny Politikan’ny Fanjakana eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny fandraharahana madinika sy salantsalany ity Tetikasa MAHARO ity.

Nandritra ny dingana telon’ny Tetikasa MAHARO tamin’ity taona ity, izay niompana tamin’ny fampiofanana sy fanamafisana traikefa, dia vehivavy mpandraharaha marefo sy manana fahasembanana miisa 331 no nisitraka izany fanohanana izany.

Naneho ny fahavononany eo amin’ny fanohizana ny asa rehetra miompana amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny roa tonta.

Ho an’ny MICC dia tanjona napetraka ny fahombiazan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny firoboroboan’ny toe-karena sy sosialy, indrindra amin’ny fanohanana amin’ny alalàn’ny Taninketsa Indostrialy, izay manome lanja ny fanodinana ny vokatra ifotony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.