Vatosoa sy vato sarobidy : Efa azo aondrana taorian'ny nanavaozana ny "valeurs marchandes de référence"

  • mardi, 20 septembre 2022 20:03
  • Sary : MMRS

Hiverina amin'ny laoniny manomboka androany talata 20 septambra 2022, ny fahafahana manondrana ny vatosoa sy vato sarobidy avy eto Madagasikara, taorian’ny fiatoana nandritra ny fotoana maharitra, araka ny nambaran'ny Minisitry ny Harena an-kibon'ny tany

sy ny Loharanonkarena Stratejika, RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahan’ny Ministera tompon'andraikitra sy ireo mpandraharaha amin’izany seha-pihariana izany, tao Ampandrianomby.

Nisy ireo fandaminana hahatomombana ny famerenana indray ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy nandritra ny fotoana nampiato izany, ary ankehitriny dia efa voatendry teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny tompon'andraikitra manana ny fahefana hanasonia ny antontan-taratasy ilaina amin’izany fanondranana izany.

Isan’ny zava-dehibe tao anatin’izany lamina izany ny fanavaozana ny fetram-bidy farany ambany ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany, na ny valeurs marchandes de référence, taorian’ny fikaonan-doha sy asa niombonan’ny avy amin’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha voakasik’izany, mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy marina ankehitriny.

Marihina fa ny taona 2001 no nisian’izany farany, ka ny sanda tamin’izany fotoana no mbola nampiasaina hatramin’izao.

Noraisina ihany koa ny fepetra fanatsarana sy fisorohana ny hosoka, dia ny fampiasana ny "Certificat de conformité " vaovao tsy azo alain-tahaka, ary misy QR Code.

Tanjona ny hitondran’ny asa fihariana harena
an-kibon’ny tany voka-tsoa ho an'ny firenena, nefa koa tsy hamono antoka ireo mpandraharaha mpiantsehatra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.