Famatsiam-bola : 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Governemanta Indiana amin’ny alalan’ny EXIMBANK

  • samedi, 23 juillet 2022 17:09

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Indiana, amin’ny alalan’ny EXIMBANK any Inde, izay hampiasaina amin’ny sehatry ny fiarovam-pirenena, fambolena sy fiompiana, angovo azo avaozina, fitaterana an-tanety sy fitaterana an’habakabaka, indostria madinika, …

Mitentina 100 tapitrisa dolara io famatsiam-bola io, ka ny 10 tapitrisa dolara amin’io dia fanomezana tsy averina.

Aorian’izao fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra izao dia hiroso avy hatrany amin’ny fandrafetana sy ny fanasoniavana ny fifanarahampamantsiam-bola ny fanjakana Malagasy sy ny EXIMBANK Inde/Governemanta Indiana.

Nandritra ny dinika nifanaovan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ireo mpitatitra mikasika ny fampiakarana ny sarandalana, dia nisy ny fampanantenana fanohanana ireo mpandraharaha ara-pitaterana vonona hanova ny fiarany.

Fiara fitateram-bahoaka lehibe (bus), izay mahazaka olona 25 mipetraka sy 25 mitsangana, no takiana amin’izany, ka horaisin’ny fanjakana malagasy an-tanana ny ampahany amin’ny vidiny.

Hisy ampahany amin’izay famatsiam-bola avy amin’i Inde izay, araka izany, hampiasaina amin’ity fanohanana (subventions) ho an’ny fanavaozana ny fiara fitaterana ho an’ireo mpandraharaha hiroso amin’ny fanoloana ny fiarany ity.

Hentitra ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny hanafainganana ny fanatanterahana ny fifanaraham-pamantsiam-bola, mba ahafahan’ny mpitatitra misitraka ihany koa faran’izay haingana ny tohana avy amin’ny Fanjakana.

Ankoatra izay dia hisy koa ny fampitaovana ho an’ny Foloalindahy Malagasy, ny fividianana fiaramanidina ho an’ny Tafika Malagasy sy ny Kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy, ny fananganana orinasa ara-indostrialy madinika ao anatin’ny programa “One District, One Factory” (ODOF), ny famatsiana fitaovana ahazoana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ary ny famatsiana bisikileta ho an’ny tantsaha, samy ho tafiditra ao anatin’ity famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Indiana ity avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.