Tsenan-davanila : Velom-bolo ny tantsaha fa tafapetraka ilay 75 000 Ariary isan-kilao

  • jeudi, 21 juillet 2022 14:44
  • Sary nomena

Marin-toerana amin’ny vidiny 75 000 Ariary isan-kilao ny lavanila maitso aty Sambava. Torak'izany koa any amin'ireo Distrika hafa mandrafitra ny Faritra SAVA.

Nandalo adihevitra sy fahasahiranana samihafa ny fametrahan'ny fitondram-panjakana io vidiny 75 000 Ariary io ho an'ny tato amin'ny Faritra SAVA, ary mbola misy tarazon'izany vitsivitsy any amin’ny Faritra Analanjirofo, tahaka ny ao Maroantsetra, eo ihany koa ny any Nosy Varika Faritra Vatovavy.

Ara-drariny, mitsinjo ny tantsaha ary samy mahazo tombony ao anatin'izany, na ireo mpamboly, na ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin'ny lavanila.

Zava-dehibe namahana ny olana taty Sambava ny fifandresen-dahatra sy fifampihainoana. Varotra rahateo ny resaka, misy ny adivarotra.

Velom-bolo ny tantsaha ankehitriny fa tafapetraka, ary ifaneken'ny rehetra ilay 75 000 Ariary isan-kilao. Tsy misy intsony ny sakan-dalana na fanehoan-kevitra isan-karazany mikasika io vidin'ny lavanila maitso noferan'ny fanjakana io.

Mirohotra any amin'ireo tanàna samihafa fanagonam-bokatra sy fivarotana izany ny mpividy.

Samy hafapo na ireo tantsaha, na ireo mpandraharaha aty amin'ny faritra SAVA.

Miroso amin'ny famahana ireo olana manodidina ny fivarotana ny lavanila maitso ihany koa ny any Maroantsetra sy ny Distrika hafa ao Analanjirofo, eo ihany koa ny any Nosy Varika.

Ny fanirian'ny tantsaha sy ireo mpandraharaha dia ny hitohizan'izao filaminana sy fitoniana izao ahafahan'izy ireo mamboly sy mivarotra ny vokatra lavanila, izay foto-piveloman'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.