FOFIFA : Nohavaozina ireo laboratoara sy ireo trano fitaratra fanaovana andrana

  • vendredi, 13 mai 2022 07:14
  • Sary nomena

Notokanan'ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny 11 may 2022 teny amin'ny foibem-pikarohana FOFIFA Ambatobe ireo foto-drafitrasam-pikarohana, izay nohavaozina, toy ny laboratoara misahana ny fahasalaman'ny voly, sy ny trano fitaratra fanaovana andrana ary fampitomboana ny masomboly nohatsaraina.

Ireo laboratoara ireo dia ahitana fitaovana maro sy arifomba, natao indrindra ahafantarana ny antony mankarary ny voly sy hitadiavana vahaolana amin'izany.

Ireo trano fitaratra fanaovana andrana kosa dia natao hamokarana masomboly salama sy mahazaka ny fiovaovan'ny toetr'andro, ary hikarohana ireo fahavalon'ny fambolena.

Ny tetikasa “FoodSec Semence”, izay vatsian'ny Vondrona Eropeana vola, amin'ny alalan'ny “Commission de l'Océan Indien” (COI) sy ny CIRAD, dia tafiditra anatin'ny velirano faha sivy ny Filoham-pirenena mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Ny FOFIFA, na ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin'ny fampandrosoana eny Ambanivohitra, dia iray amin'ireo ivon-toeram-pikarohana sivy eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa.

Niatrika ny lanonam-pitokanana ireo Minisitra roa miahy ity foibem-pikarohana ity, dia ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr. ASSOUMACOU Elia Béatrice, ary ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RAMILISON Harifidy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.