Toamasina : Tonga ny vary Tsinjo 21 000taonina

  • mardi, 01 février 2022 19:52
  • Sary nindramina

Vary Tsinjo milanja 21 000taonina no tonga eto amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, izay haparitaka manerana ny Nosy. Misy 2 300taonina amin'ireo vary nafarana ireo no efa an-dalana hamatsy ny tsena ao an-drenivohitra sy any amin'ny faritra Avaratry ny Nosy.

Efa tonga aty Toamasina ihany koa ireo ny simenitra Lucky milanja 12 000 taonina izay azo jifaina amin'ny vidiny mora.

Tety amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny nijery ny fahatongavan'ireo entana ireo androany 1 febroary 2022.

Efa an-dalana ihany koa ireo sambo mitondra vary 20 000taonina sy simenitra 9 000taonina hafa, izay nafarana amin'ny alalan'ny SPM SA – State Procurement of Madagascar, izay vinavinaina ho tonga amin'ny tapaky ny volana febroary.

Hahatratra 60 000taonina ny totalin’ny Vary Tsinjo kendrena ho tonga eto Madagasikara ao anatin’ny telo volana voalohan’ity taona 2022 ity. Haparitaka manerana ny Nosy izy ireo mba hifehezana ny vidim-bary.

Efa manara-maso ny fitsinjarana ireo entana ireo eny an-tsena ny Minisitera tompon’andraikitra ary tsy nahitana fiakarany ny vidim-bary ankehitriny.

Nanome baiko moa ny Filoha Andry RAJOELINA ny hanafainganana ny fanafarana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro ireo, ary ho fiomanana amin'ny fiatrehana ny rivo-doza dia misy amin'ireo vary nafarana no ho zaraina maimaim-poana amin'ireo faritra tena tra-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.