Famatsiana : Tonga eto amin’ny renivohitra ny Vary Tsinjo 1000T

  • jeudi, 27 janvier 2022 18:18
  • Sary nindramina

Vary Tsinjo 1000 taonina avy any Toliary no tonga ny 26 Janoary 2022 teny amin’ny Fasan’ny Karana hamatsiana ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Nandray izany teny an-toerana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-miasa aminy no sady nitsidika ny toeram-panatobiana, izay mahazaka vary hatrany amin’ny 5000T, ho fanatanterahana ny fanamby amin’ny tsy hahatapahan’ny famatsiana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, noho ny toetr’andro ratsy tato ho ato.

Nanamafy ny Minisitra fa tsy tokony hiahiahy amin’ny mety ho tsy fahampian’ny tahiry ny mponina.

Vary 25000T no nigadona tao Toamasina tsy ela akory izay tamin'ny alalan'ny SPM SA - State Procurement of Madagascar, izay noamasifisin'ny Tale jeneraly Solo Andriamanampisoa fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fitsinjarana izany manerana ny Nosy, ary efa mipetraka ny fanaraha-maso tsy hiakaran'ny vidim-bary izay efa noferena mialoha.

Nambaran'i Minisitra Edgard Razafindravahy, fa izao fahavitan’ny Tetezam-by any amin’ny Lalam-pirenena faha-2 izao dia hahafahana mampiakatra haingana ny entana eto Antananarivo sy ny manodidina, ary any amin’ny faritra hafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.