Famokarana herinaratra : Vita ny asa ao Farahantsana ary hamokatra 28MW

  • jeudi, 27 janvier 2022 09:58
  • Sary nomena

Vita zato isan-jato ny asa fametrahana toby famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano eny Farahantsana Mahitsy, izay hanampy 28 MW ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo, na ny RIA.

Eo am-pametrahana ireo fitaovana entina hampidirana io angovo io ao amin'ny RIA ny avy ao amin'ny Tozzi Green sy ny teknisianin'ny JIRAMA.

Ireo mponina ato anatin'ny faritra efatra, mandrafitra ny RIA no hisitraka ny herinaratra vokarina ao Farahantsana dia ny eto Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Alaotra Mangoro.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.