Famatsiana solika : Hiverina amin’ny laoniny anio alarobia 26 Janoary 2022

  • mercredi, 26 janvier 2022 16:45
  • Sary nindramina

Notanterahina ny 25 Janoary 2022 teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny akoranafo (OMH) ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety momba ny famatsiana solika eto Madagasikara amin’ny ankapobeny.

Nandray anjara fitenenana tamin’izany ny Tale Jeneraly ny OMH Atoa Olivier JEAN-BAPTISTE, ary notronin’ny Tale Jeneralin’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa Sambatra RAMIANDRASOA avy ao amin’ny Ministera misahana ny Angovo sy Akoranafo.

Ampy sy sahaza tsara ny filàna solika eto an-drenivohitra ny tahirin-tsolika izay misy 20 andro ho an’ny lasantsy (SP95), ary 18 andro ho an’ny gasoil.

Nambarany fa maherin’ny 40 ireo fiara vaventy fitaterana solika izay efa eny an-dalana vonona hamatsy an’Antananarivo raha vao vita ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, izay heverina fa hiverina amin’ny laoniny anio 26 Janoary 2022.

Ireo tobin-tsolika any amin’ny faritra kosa dia voavatsy ara-dalàna, na ho an’ny fitaterana an-tanety na an-dranomasina, ary ampy tsara ny tahiry.

Nambarany ihany koa fa ny fanafarana solika dia mizotra araka ny fandaharana sy ny fandaminana momba izany.
Hisy sambo telo (3) ho avy eto Madagasikara amin’ny volana Febroary ho avy izao, ka mitondra ireo solika isan-karazana ilain’ny mpanjifa sy ny orinasa isan-tsokajiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.