Seranam-piaramanidina Ivato : Nisokatra ho azo ampiasaina ilay fiantsonana vaovao

  • jeudi, 16 décembre 2021 20:34
  • Sary nindramina

Fiaramanidin’ny Ethiopian Airlines, manao ny sidin’ny Madagascar Airlines, nitondra mpandeha niainga avy any Paris CDG, no nisantatra ilay fiantsonana vaovao eny amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato-Antananarivo, taorian’ny nanokafana azy ho azo ampiasaina amin’izay, nanomboka androany Alakamisy 16 desambra 2021.

Mivelatra amina velaran-tany 17 500 m² ny foto-drafitrasa vaovao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ary heverina handray mpandeha manodidina ny 1,5 tapitrisa isan-taona.

Ny orinasa Ravinala Airports no mitantana ity foto-drafitrasa eo Ivato ity sy ny ao Nosy-Be.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.