Simenitra nafaran’ny Fanjakana : 13 ny mpandraharaha mivarotra azy manerana an’Antananarivo

  • mardi, 30 novembre 2021 13:09
  • Sary nindramina

Efa aparitaka manerana ny Nosy ilay simenitra Lucky nafaran’ny Fanjakana.

1891 taonina no tonga ho an’ny Faritra Analamanga. 13 ny isan’ireo mpandraharaha mivarotra azy, ary hita eto an’Antananarivo izany : Andravoahangy, 67Ha, Anjomakely, Ivato, Ivandry, Ambatolampy, Talatamaty, Mahitsy, ary Ambohitrimanjaka.

Tonga tamin’ny sabotsy lasa teo, ary hamidy 29 000Ar ny any Morondava sy Miandrivazo izay samy nahazo ny simenitra Lucky 32 taonina avy.

Ho an’ny faritra hafa dia simenitra 1401 taonina any Anosy, 1108 taonina ho an’ny DIANA ary 708,5 taonina ny an’ny Atsinanana.

Nilaza ny teo anivon’ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana fa andiany voalohany ny 35 000taonina tonga fa mbola hisy ny manaraka.

Ny SPM SA - State Procurement of Madagascar no nanafatra ny entana tamina orinasa any Marseille France, Global Transit, ary tany Lucky Cement Limited, Karachi Pakistan no niainga ny simenitra.

Ny teti-bolam-panjakana no mandoa ny haba-tseranana, trosa tokony aloan'ny ministeran'ny varotra (EBLEU).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.