Ehoala - Tolagnaro : Velaran-tany 15ha hametrahana Taninketsa Indostrialy

  • dimanche, 24 octobre 2021 11:51
  • Sary : MICC

Hatsangana amin'ny velaran-tany manodidina ny 15ha ao amin'ny seranan-tsambon'i Ehoala any Tolagnaro ny Taninketsa Indostrialy voalohany ho an’ny faritra Anosy.

Nitsidika an'io toerana io ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ny zoma 22 oktobra tao aorian’ireo atrikasa ifotony natrehany.

Hanampy betsaka ny mpandraharaha eny ifotony amin’ny fanodinana ireo vokatra fanilo mampiavaka ny faritra ny fisian’ireo Taninketsa Indostrialy. Hanamora ny famatsiana ny faritra sady hanafaingana ny fanondranana ireo vokatra voahodina ao an-toerana ihany koa.

Nanentana ireo mpampiasa vola ao an-toerana, na teratany na vahiny ny Governoran'ny faritra Anosy, Raharimbola Jocelyn handray anjara amin’ny fanatanterahina ny tetikasa ho fampandrosoana ara-toekarena mahomby sy maharitra manerana ny faritra Anosy.

Nohamafisin'ny minisitra Edgard Razafindravahy rahateo ny fanohanan'ny MICC ara-teknika an’ ireo mpandraharaha amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanomezana azy ireo fitaovana matihanina, miaraka amin’ny fikojakojana an'izany fitaovana izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.