Fanondranana jirofo : Faharoa eran-tany aorian’i Indonezia i Madagasikara

  • mercredi, 13 octobre 2021 19:40
  • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

Atomotra ny fotoana hanondranana jirofo. Nampahafantatra ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana fa ho entitra ny amin’ny fanarahana ny lalàna, koa tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra ireo mangataka alalana hanondrana any ivelany.

Ao anatin'ireo fepetra lehibe amin’ny fahazoan-dalàna ny famerenana eto Madagasikara ny vola vahiny sy ny maha ara-dalàna ny orinasa mpanondrana manoloana ny sampan-draharahan’ny hetra.

12 000t ka hatramin’ny 15 000t ny jirofo vokarin’i Madagasikara isan-taona. Faharoa eran-tany isika amin’ny fanondranana jirofo, manarakaraka an’i Indonezia, izay mamokatra hatramin’ny avo fito heny hoharina amin’i Madagasikara.

Fantatra anefa fa latsaky ny 50 000t ny vokatra avy ao Indonezia tamin’ity taona ity, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanan’ny mpanondrana jirofo eto Madagasikara (GEGM).

Tsara ny kalitaon’ny jirofo malagasy satria tsara ny fanaraha-maso mialohan’ny hanondranana azy.

Isan’ny loharanom-bola vahiny lehibe indrindra ho an’ny firenena Malagasy ny fanondranana ireny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ireny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.