APC Andriamena : Didim-pitsarana no nanakatonana sy ny nangejana ity orinasa mpitrandraka kraoma ity

  • jeudi, 30 septembre 2021 13:12

Nanao fampahafantarana ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika milaza fa ny fikatonan’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany « APC Andriamena », dia vokatry ny ady izay misy eo aminy sy ny mpiara-miombon’antoka aminy izay nitory ny orinasa APC.

Nanamafy ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika fa tsy misy ifandraisana aminy ny fanakatonana sy ny fangejana ny orinasa APC fa didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana misahana ny toekarena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.