Tsena sy fanjifana : Miha-marin-toerana ny vidin'ny PPN

  • mardi, 21 septembre 2021 10:37

Hita ho miha-marin-toerana miandalana ny vidin'ireo entana ilain'ny mponina andavanandro na PPN. Tsikaritra io hatramin'ny fiandohan'ity volana septambra ity, nametrahan'ny fanjakana tamin'ny alalan'ny Ministreran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ny vidiny ara-drariny amin'ireo entana tena ilain'ny mpanjifa.


Tsy ny vidin'ny entana ara-drariny fotsiny ihany anefa no andrasan'ny mpanjifa ,fa ny famerana ny vidiny farany ambony ihany koa, hanamaivanana ny takaitra sy vesatra ara-tsosialy sy toekarena nateraky ny valanaretina Covid-19.

Mpamongady sy ny mpaninjara eny amin'ireo tsena samihafa na ny eto an-drenivohitra na amin'ireo tanan-dehibe maro no naneho finiavana sy fandavan-tena, tsy hanararaotra amin'ny tsy tokony ho izy ny vidin'ny PPN. Iraisan'izy ireny hevitra ny tsy hamonoana antoka nefa zakan'ny mpanjifa, araka ny lamina apetraky ny fanjakana.

Amin'izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra sy ny maitso ahitra izao, heverina fa efa mivonona sy manana paikady hiatrehana izany amin'ny fifehezana ny vidin'ny PPN, ny fanjakana amin'ny alalan'ny Ministreran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.