Vokatra Tsaramaso : Nahavokatra 14 000 taonina eo ny aty Miandrivazo tamin'ity taona ity

  • samedi, 18 septembre 2021 10:26
  • Sary nindramina

Tafiakatra 9 380ha ny velaran-tany voavoly tsaramaso aty Miandrivazo tamin'ity taona 2021 ity, raha manodidina ny 3 000ha izany tamin'ny taona 2019 sy 2020. Tombanana ho 14 000 taonina ny vokatra hiakatra, amin'ny taham-bokatra 1,5 t/ha.

Ny fahavitrihan’ireo tantsaha mpamokatra niroso amin'ny asa fambolena noho ireo tohana maro ara-pitaovana sy masomboly ara-teknika nomen'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana tamin'ny alalan'ny sampandraharaham-paritra Menabe sy ny Tetikasa AD2M (Appui au Développement du Menabe et du Melaky).

Ny fisian'ny ireo mpandraharaha maro nanohana ny tantsaha, ny fisian'ireo traktera nampidirin'ny orinasa samihafa, izay afaka nofain'ny mpamokatra ka nahafahana nanao ny asa tany ara-potoana, ary ny fahatsaran'ny rotsak'orana mialohan'ny fotoam-pambolena, ka naha mando sy naha lonaka ireo baiboho midadasika amin'ny lemak'i Betsiriry, no nahatonga izany fiakaran’ny vokatra izany.

Ny vidim-bokatra kosa no tsy dia nahafa-po azy ireo, koa iantsoana ireo mpandraharaha mba ho tonga maro hividy vokatra aty an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.