Seha-piharina lavanila : Maniry ny fanalalahana ny vidiny ireo mpisehatra

  • vendredi, 17 septembre 2021 19:59
  • Sary nindramina

Nivory taty Sambava, niaraka nikaro-bahaolana hanavotana ny lavanila malagasy ireo mpisehatra amin’io seha-piharina io.


Mikatso ny vokatra, ambany vidy. Niverimberina tamin’ny fanehoan-kevitra ny hanalalahana ny vidin’ny lavanila fa tsy ho feran’ny fanjakana toy ny misy ankehitriny, ary izany rahateo no voalazan'ny lalàna mahakasika ny sehatry ny lavanila.

Naniry koa ireo mpivory, mba aty ifotony no iarahan’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra amin’ity lalampihariana lavanila ity manapa-kevitra.

Niandry moa ireo mpivory mba ho avy ny praiminisitra sy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, saingy tsy nisy tonga, na efa nisy fiaramanidina manokana nomanina hitondra azy ireo aza, hoy ny loharanom-baovao.

Na izany aza dia hatolotr’ireo mpivory ny fanjakana foibe ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ity fivoriana natao androany ity.

Nandray anjara tamin’izany ny mpamboly, mpanangom-bokatra, ny mpikarakara, ny mpandraharaha mpanondrana, ireo mpampindram-bola ary koa ny solontenam-panjakana sy olomboafidy.

Nisokatra ny 15 septambra teo ny fanondranana lavanila voakarakara makany ivelany.

Amin'ny Alatsinainy 20 septambra anefa vao hivoaka ny lisitr'ireo mpandraharaha ahazo fankatoavana hanondrana lavanila any ivelany, raha tokony efa nivoaka izany lisitra izany vao nisokatra ny fahafahana manangom-bokatra lavanila maitso, izay karakaraina ho lasa lavanila masaka sy voafantina azo ahondrana any ivelany.

Manodidina ny 300 eo ny isan'ireo nangataka fankatoavana fanondranana voaray teto anivon'ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.