CUA : Lasa kolikoly ny fitakiana ny saran'ireo fiara mpitatitra entana

  • mardi, 22 juin 2021 14:24

Miteraka tabataba sy olana eo anivon'ireo mpitatitra entana ny nametrahan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny haba ho an'ireo fiara mpitatitra entana, sy fiara mpanatitra mpiasa.

Fiara efa mandoa patanty ara-dalàna izy ireo, ary afaka mivezivezy manerana ny Nosy, nefa dia teren'ny Kaominina andoa haba manokana hafa indray rehefa miasa eto Antananarivo Renivohitra.

Teraka arak'izany ny kolikoly eo anivon'ny fiadidian'ny kaominina izay milaza fa mahavita mikarakara manokana momba izany fahazoan-dalana izany. Raikitra hatramin'ny ady varotra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.