Faritra Atsinanana : Fiomanana amin’ny taom-piotazana litchis

  • mercredi, 04 novembre 2020 18:57
  • Sary nomena

Misokatra androany Alarobia 04 Novambra ato amin’ny trano malalaky ny faritra Atsinanana ny « GUICHET UNIQUE ».

Toy ny isan-taona dia ato no ivon-toerana ampivondronana ireo Birao rehetra tokony handalovan’ny mpikarakara taratasy rehetra :
- Biraon’ny Hetra,
- Biraon’ny Statistiques,
- Biraon’ny Kaominina ho an’ny «droit de stationnement»,
- Ireo Sampandraharahan’ny faritra mikirakira ny lafiny « ristournes ».

Isan-taona dia fahombiazana tanteraka izao fikarakarana izao, satria dia manamora ny fiomanan’ireo rehetra mian-tsehatra amin’ity asa mandalo nefa iankinan’ny toe-karenan’ny kaominina sy ny faritra ary tokantrano maro eto Toamasina ity.

Tamin’ity taona 2020 ity dia natao herinandro vitsivitsy mialoha ny fanombohan’ny tena « campagne » ny fisokafan’ity « Guichet unique » ity.

Nanokatra izao « Guichet unique » izao ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, notronin’ny Talen’ny Fotodrafitr’asa sy Fampandrosoana ao amin’ny Faritra, ny Sekretera jeneralin’ny Prefektiora, ireo Talem-paritra (Hetra, Varotra, Statistiques) ary ny solontenan’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambonivohitr’i Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.