Fikorontanan’ny fitsinjarana solika: Nosazian’ny Fanjakana ny orinasa LPSA, Total ary Vivo

  • mardi, 29 octobre 2019 07:02
  • Sary nindramina

Sazy ara-bola mitentina 120 tapitrisa Ariary ho an’ny orinasa Logistique Pétrolière SA (LPSA), ary 60 tapitrisa Ariary isanisany ny an’ny orinasa Total ary Vivo (Shell). Nivoitra ireo ny alatsinainy 28 oktobra nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataon’ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo Andriamanga Vonjy, sy ny avy amin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) teny Ampandrianomby-Antananarivo.

Ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny solika ireo no nahatonga ireny fikorontanana tamin’ny famatsiana solika tamin'ny herinandro ireny ka nahatonga ny Ministeran'ny Angovo nandray ny fepetra, araka ny fanazavan’ny minisitra.

Vantany vao tafaverina avy any Sotchi Rosia ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny zoma 25 oktobra 2019, dia namory avy hatrany, tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ireo mpamatsy solika eto Madagasikara noho ireo olana nateraky ny tsy fahampian'ny solika teny amin'ireo tobin-dasantsy tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny, izay niteraka fitaintainana sy nampisavorovo ny saim-bahoaka sy ny nampihemotra ny raharaha ara-toe-karena.

Nambarany fa tsy nanao araka ny voafaritry ny làlana ny amin’ny tokony hametrahana tahirin-tsolika 21 andro ireo mpandraharaha ireo. Nandritra io fivoriana io no nanambaran’i Andry Rajoelia fa « hanao tolobidy ny fitondram-panjakana amin'ny fanafarana mivantana solika mba hisorohana ny tranga tahaka izao ».

Asa moa izay ho fihetsik'ireto mpampongady solika ireto amin'izay sazy izay, satria raha misy olana ara-barotra na tsy fanarahan-dalàna na misy fifanolanana eo amin'ny roa tonta nifanao fifanarahana dia ny fitsarana no mamoaka izay didy izay, raha tsy hoe nisy marimaritra niraisana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.