JIRAMA: Nampahafantarina ny tondrozotra hanarenana ny orinasa

  • dimanche, 13 octobre 2019 15:57
  • Sary nindramina

Eo ampiandrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly vaovaon’ny Jirama, toerana izay banga nanomboka ny 14 aogositra 2019, dia nanapa-kevitra ny hampahafantatra ny tondrozotra hanarenana ny orinasa ny filankevim-pitantanan'ny JIRAMA, tamin’ny alalan’ny Filohany Andriamanampisoa Rasamoelina Solo.

Mifototra amin’ny teboka maromaro ny tondrozotra, araka ny fampahafantarana natao ny sabotsy 12 oktobra 2019, nanoloana ny solontenan’ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny JIRAMA, ny mpandraharaha, ny Fiaraha-monim-pirenena ary ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa.

Eto ny fanatsarana ny fitantanana ho matianina ; ny fahaiza-mitantana sy fahafehezana ny famatsiana solika hampihena ny fandaniana. Eo koa ny fanatsarana ny vokatra amin'ny alalan'ny fanenana ny fatiantoka ara-teknika sy tsy ara-teknika hampiakarana ny tahan'ny fampidiram-bola.

Notsipihina manokana ihany koa ny fanavaozana ireo fifanarahana mikasika ny fanofana vondrom-pihary herinaratra amin'ny fanoloana vondrom-pihary herinaratra vaovao mitsitsy solika kokoa (-245g/kW) toy izany koa ny fanefana ny trosan'ny orinasa

Nasiana tsindrim-peo koa ny fampiroboroboana sahan'asa fanampiny hanatsarana ny fampidiram-bolan'ny orinasa, toy ny fivarotana ireo kojakoja momba ny jiro sy rano izay ilain'ny mponina amin'ny fiainana andavanandro, fandraisana anjaran'ny teknisian'ny JIRAMA amin'ny famaliana tolo-bidy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.