Economie

    • mardi, 19 octobre 2021 07:10
    • Sary nindramina

    Fanatsarana taranak’omby : Mikendry lanjan’omby hatrany amin’ny 500kg ny iray

    Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao Zatobe, Kaominina Marotampona, Distrika Tsiroanomandidy ny Sabotsy 16 oktobra 2021 ny fampanarahana entin-tanana ho an'ny omby vavy gasy ho fanatsaràna ny taranak’omby. Nitarika izany tany an-toerana ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana Dr Raymond. Tsapa fa mihen-danja ny omby raha manodidina ny 200-250 kg ny lanjany ankehitriny ka tsy maintsy irosoana ny « fampanarahana entin-tanana » avy amin’ny omby tsara karazana. Endrasana ny ahazoana taranak’omby tsara kalitao sy tsara lanja (hatrany amin’ny 450 à 500 kg), omby matanjaka afaka miasa-tany hoentina mamokatra sy amokarana hena ara-pahasalamana, ampy amatsiana ny filàn’ny mponina sy entina hampivoarana ny fiharian-karenan’ny mpiompy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 octobre 2021 10:55

    Taninketsa Indostrialy : Nosantarina tao Bongolava ity fandraharahana isa-tanàna ity

    « Hapetraka eto Tsiroanomandidy, izay fantatra amin’ny famokarana voanjo sy vary, ny taninketsa indostrialy voalohany manaraka ny lalan-tsain'ny fanorenana entin’ny ministera. Hanatsara ny fiainan’ny mponina ny fisian’ny ODOF (One District One Factory) ary hanamaivana ny vidim-piainana". Nivoitra io ny alakamisy 14 oktobra, raha nidina tao an-drenivohitry ny Faritra Bongolava, ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy. Nanamafy izy fa tsy hisy adino amin’ny fananganana indostria intsony ny Distrika sy Kaominina ary ny isan-tanàna. Ho an'ny faritra Bongolava dia taninketsa indostrialy miisa telo fara-fahakeliny no hatsangana izay mikendry ny fampandrosoana ny faritra sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana. Toerana apetraka isaky ny Fokontany na Kaominina hiveloman'ny mponina, indrindra fa ny tanora, ny taniketsa indostrialy. Mety ho tanim-panjakana io na tanin'olon-tsotra na an'ny kaoperativa.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 octobre 2021 10:39
    • Photos Net

    Plan d’ouverture des frontières : Seuls les aéroports d’Ivato et de Nosy-Be pourront être desservis dans un premier temps

    Une réunion a été tenue ce jeudi 14 octobre 2021 entre le Ministère des Transports et de la Météorologie, le Ministère de la Santé Publique, le Ministère du Tourisme, le Ministère de l’Économie et des Finances et l’Aviation Civile de Madagascar, en présence des compagnies aériennes, sur les modalités pratiques du plan d’ouverture des frontières. Le secteur aérien inaugurera cette réouverture progressive suite à la décision prise lors du Conseil des ministres qui s’est tenue ce 13 octobre. Il a été convenu que seuls les deux aéroports d’Ivato et de Nosy-Be pourront être desservis dans un premier temps, par les îles avoisinantes (Maurice et La Réunion) et l’Europe. Ceci dans un souci de la promotion de la connectivité et du tourisme, qui ont été fortement impactés suite à la suspension des activités durant ces deux dernières années. Ces destinations ont été choisies en fonction du trafic affinitaire et de la portée touristique qu’elles représentent pour Madagascar.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 octobre 2021 19:11
    • Sary : MAM

    Digue Ambohitrimanjaka : Nikatona ny 90%-n'ireo mpivarotra sy mpanao asa-tanana noho ny "Covid-19".

    Misedra olana maro ireo mpivarotra sy mpanao asa-tanana eny amin'ireo trano heva eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka, takaitra navelan'ny valanaretina Covid-19. Ny 90%-n'izy ireo no nikatona vokatry ny fikatonan’ny sisintany ka tsy nahatongavan'ny vahiny, izay isany tena mpanjifa ny vokatr’izy ireo. Olana ihany koa ny tsy fahafahana mandefa any ivelany ireo asa-tanana vita amin'ny hazo sarobidy efa voahodina, ny tsy fahampian'ny akora fototra... Nidina teny an-toerana, nijery ny zava-misy, nihaino sy nifampiresaka tamin’ireo mpivarotra sy mpanao asa-tanana ny Minisitry ny Asa-tanana sy Hai-tao, Sophie Ratsiraka. Nilaza ity farany fa misy ireo lalàna tsy maintsy hiarahana midinika amin'ireo Ministera isan-tsokajiny hamahana ny olana. Nohamafisiny koa anefa ny tokony hambolena ireo akora fototra mba ho lovain'ny taranaka any aoriana sy handovan'ireo zanaky ny mpanao Asa-tanana ny asan'ny Ray aman-dreniny teo aloha, fa tsy hitango sy handripaka azy ireny fotsiny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 octobre 2021 09:33

    Air Madagascar : Bokan’ny trosa noho ny goragora sy kolikoly ary ny tsy fahaiza-mitantana

    Taorian’ny fivorian’ny Filankevim-pitantana sy ny fangatahan’ny kaompania Air Madagascar dia nentin’ny Minisitera misahana ny Fitaterana, amin’ny maha mpiahy ara-teknika azy, teto anivon’ny Filankevitry ny Minisitra, ary nankatoavina ny hidirana amin’ny « procédure collective d’apurement de passif » an’ity orinasa lehibe ity, satria efa manodidina ny 80 tapitrisa dolara ankehitriny ny « déficit opérationnel / perte cumulée ». Araka izany dia tena midangana sy avo dia avo tokoa ny trosan’ity orinasam-panjakana Malagasy lehibe ity.Araka ny lalàna mifehy ny orinasam-panjakana na « société à participation publique » dia ny Filankevitry ny Minisitra no manome alàlana ny hidirana amin’izany « procédure collective d’apurement de passif » izany. Nisy ny goragora sy ny kolikoly, fa indrindra ny tsy fahaiza-mitantana tao amin’ny orinasa Air Madagascar. Tsy nisy « rigueur » teo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola hatrizay, ary tsy nisy fitsinjovana mihitsy ilay orinasa.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 octobre 2021 19:40
    • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

    Fanondranana jirofo : Faharoa eran-tany aorian’i Indonezia i Madagasikara

    Atomotra ny fotoana hanondranana jirofo. Nampahafantatra ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana fa ho entitra ny amin’ny fanarahana ny lalàna, koa tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra ireo mangataka alalana hanondrana any ivelany. Ao anatin'ireo fepetra lehibe amin’ny fahazoan-dalàna ny famerenana eto Madagasikara ny vola vahiny sy ny maha ara-dalàna ny orinasa mpanondrana manoloana ny sampan-draharahan’ny hetra. 12 000t ka hatramin’ny 15 000t ny jirofo vokarin’i Madagasikara isan-taona. Faharoa eran-tany isika amin’ny fanondranana jirofo, manarakaraka an’i Indonezia, izay mamokatra hatramin’ny avo fito heny hoharina amin’i Madagasikara.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 octobre 2021 09:57
    • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

    Air Madagascar : Mibaby trosa 72 tapitrisa dolara

    Nivoitra io nandritra ny fivoriana ho fanomanana ny fisokafan'ny sisintany, notarihin’ny filoha Andry Rajoelina tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, izay niarahany tamin'ny Minisitry ny Fizahantany, ny Minisitry ny Fitaterana ary ireo tompon’andraikitra eo anivon'ny Kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Mikasika ny zotra anabakabaka manokana dia nodinihina nandritra izao fihaonana izao ny momba ny fanarenana ity orinasam-pitaterana anabakabaka Air Madagascar mibaby trosa mitentina 72 tapitrisa dolara nandritra ny fiaraha-mitantana tamin'ny orinasa Air Austral. Anisan'ny anton'izany ny tsy fifehezana ireo fandaniana teo amin'ity orinasam-pitaterana ity, toy ny hofan'ireo fiaramanidina ATR izay avo roa heny ny tokony ho izy, eo ihany koa ny fandaniana eo amin'ny lafiny fitantanana na "coût de gestion".
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 octobre 2021 19:34
    • Loharano MAEP

    Ombivavy be ronono nafarana : Atokana-monina 35 andro ao Andranomanelatra

    Nalefa ao amin’ny ivotoerana fiompina ARMOR ao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra ireo ombivavy be ronono miisa 165 izay nafarana avy any ivelany. Ao no toerana izay hanatanterahina ny fitokana-monina na « Mise en Quarantaine » izay haharitra 35 andro. Ireo teknisianina avy ao amin’ ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny biby na DSV sy ireo teknisianina avy ao amin’ny FIFAMANOR no hanara-maso ny fahasalaman’ireo biby sy ny fiantrehan’izy ireo ny fiovan’ny toe-tany. Etsy andaniny dia nisy ny fiofanana, mahakasika ny fomba fiompina sy ny fikarakarana ireo ombivavy be ronono ireo mandritry ny 10 andro, an’ireo teknisianina izay hanaramaso ireo biby sy ireo teknisinanina izay hiara-hiasa amin’ireo mpisitraka.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 octobre 2021 16:28
    • Sary nindramina

    FIVMPAMA : Rakotondrasanjy Rivo no lany ho filoha vaovao

    Voafidy hitantana ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) mandritra ny taom-piasana (2021-2023) i Rakotondrasanjy Rivo. Notanterahina tao Soarano PK 00 androany zoma 08 Oktobra 2021 ny fivoriambe nanavaozana ny birao mpitantana ny FIVMPAMA. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 octobre 2021 15:07
    • Sary nindramina

    Fiompiana : Tonga ireo ombivavy be ronono fakan-taranaka miisa 165 nafaran’ny fitondrana malagasy

    Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny talata 5 oktobra 2021 ireo ombivavy be ronono miisa 165. Taranak’omby « Montbéliarde » sy « Normande » izy ireo, ary samy mitondra vohoka 5 volana avy. Voalaza fa efa nandalo fizaham-pahasalamàna sy « quarantaine » avokoa ireo omby vahiny ireo, araky ny fenitra iraisam-pirenena takiana amin’ny fanafarana omby, ka tsy ahiana hitondra aretina eto an-toerana. Hampiakarana ambony ny tahan’ny famokarana ronono eto Madagasikara, ka hisitrahan’ny Malagasy sakafo be « protéines », hampihenàna ny fanafarana ronono, ary ampitomboana ny fidiram-bolan’ireo tanora sy tantsaha misehatra amin’ny fiompiana omby sy fanodinana ny vokatra ronono no voalaza fa anton’izao ezaka fanafarana omby izao. Raha eo amin’ny 4 litatra isan’andro eo no ronono azo avy amin’ny omby malagasy, dia ho tafakatra 25 litatra hatramin’ny 30 litatra isan’andro izany, ary hahatratra 7 500litatra isan-taona isaky ny omby vavy be ronono iray.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 81