Finoana Katolika : Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Eveka vaovaon’ny Diosezin’i Mahajanga
- dimanche, 12 février 2023 13:03
- Zakaria
- Sary nindramina
Notanterahina androany Alahady 12 febroary 2023, teo anoloan’ny Katedraly Mahajanga, ny Sorona Masina fametrahana amin’ny toerany, amin’ny maha-Evekan’ny Diosezin’i Mahajanga azy, i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz.
Izy no Eveka tompon-toerana faha-6 ho an’ny Diosezin’i Mahajanga hatramin’izay 125 taona nijoroany izay.
Eveka nitantana ny Diosezin’i Morombe i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, talohan’ny nanendren’ny Papa François azy ho Evekan’ny Diosezin’i Mahajanga.
Teraka tao Nietuszkowo, tao Pologne, ny 16 oktobra 1958 i Zygmunt.
Ny 15 aogositra 1979 izy no niditra tao amin’ny fikambana Missionnaires de la Sainte Famille.
Nanonona ny voady voalohany ny 8 septambra 1980 ary nanolotena mandrakizay ho an’Andriamanitra tao amin’io Fikambanana io ny 8 septambra 1983.
Ny taona 1980 ka hatramin’ny 1985, nanohy ny fiofanana tao amin’ny Scolasticat sy ny Seminera Zokiny an’ny Fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, tao Kazimierz Biskupi, Pologne izy, ary nandalina ny filozofia sy ny teolojia tao amin’ny Institut Pontifical de Théologie tao Poznań, ka nahazo ny mari-pahaizana Licence sy Master momba ny Lalàn’ny Fiangonana.
Ny 11 jona 1986 izy no nohamasinina ho pretra, ary voatendry ho Evekan’ny Diosezin’i Morombe ny 23 aprily 2001, ary nohamasinina ho Eveka ny 2 septambra 2001.
Notendren’ny Papa François ho Evekan’i Mahajnaga ny 19 novambra 2022 amin’ny fanohizana ny Asa Masina sy sarotra ankinin’Andriamanitra sy ny Fiangonana aminy.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.