Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ : Notendren’i Papa Fransoa ho Evekan’ny Diosezin’i Mahajanga

  • samedi, 19 novembre 2022 17:34
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nahazo Eveka vaovao i Mahajanga.

Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Missionnaire de la Sainte Famille, no notendren’ny Papa Fransoa ho Evekan’ny Diosezin’i Mahajanga, androany sabotsy 19 novambra 2022, nafindra avy any amin’ny Diosezin’i Morombe.

Ny 16 oktobra 1958 izy no teraka tany Nietuszkowo any Pologne ;
Tao aorian’ny Fianarana ambaratonga faharoa, dia niditra tao amin’ny Fikamban’ny Missionnaires de la Sainte Famille (MSF) izy ny 15 aogositra 1979 ;
Ny 8 septambra 1980 izy no nanonona ny voady voalohany ;
Ny 8 septambra 1983 no nanonona ny voady farany ;
Ny taona 1980 hatamin’ny 1985 izy dia noraisina ho mpiofana tao amin’ny Scolasticat sy ny Seminera zokiny an’ny MSF ao Kazimierz Biskupi, any Pologne, ary nanaraka ny fianarana filozofia sy teolojia tao amin’ny Institut Pontifical de Théologie tao Poznan, ary nahazo ny mari-pahaizana Master sy Licence amin’ny Droit Canonique.

Ny 11 jona 1986 izy no nohamasinina ho pretra ;
Ny 23 aprily 2001 izy no voatendry ho Evekan’i Morombe ;
Ny 2 septambra 2001 izy no nohamasinina ho Eveka.

Ao anatin’ny Faritra ekleziastika Avaratra no misy an’i Mahajanga, miaraka amin’Antsiranana sy Ambanja ary i Port Bergé.

Ireto avy ny vikera apostolika sy Eveka efa nitondra ny Diosezin’i Mahajanga :

Ireo Vikera apostolika :
1898 – 1914 : Mgr François-Xavier Corbet
1914- 1923 : Mgr Auguste Fortineau
1923-1940 : Mgr Paul Auguste Marie Pichot
10 mai 1940-8 juillet 1941 : Tsy nisy tompon-toerana
1941 - 1947 : Mgr Edmond Marie Jean Wolff
1947-1953 : Mgr Jean Batiot
1954 - 1955 : Mgr Jean Eugène Gabriel David

Ireo Eveka :
1955- 1978 : Mgr Jean Eugène Gabriel David
1978 - 1994 : Mgr Armand Gaétan Razafindratandra
1994 - 1996 : Tsy nisy tompon-toerana
1996 - 1998 : Mgr Michel Malo
1999 - 2010 : Mgr Joseph Ignace Randrianasolo
2010 - 2018 : Mgr Roger Victor Rakotondrajao
2018 no mankaty : Mgr Gustavo Bombin Espino, Administrateur apostolique

Miarahaba sy mirary soa ho an’i Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ amin’izao andraikitra vaovao ankinin’ny Fiangonana sy ny Papa aminy izao ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

Miarahaba ny Diosezin’i Mahajanga ihany koa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.