BAHOEJY : Andalam-pahavitana ny trano namboarin'ny Faritra Sofia ho azy

  • samedi, 19 novembre 2022 13:16
  • Zakaria
  • Sary : Aboaho Ankiaka

Atoa BAHOEJY, ilay mpamorona sy tompon'ny dihy "BAHOEJY", mampiavaka ny Faritra Sofia. Faniriany ny mba hananany trano mateza hitoerany, ary ny hisitrahany tombontsoa amin’ny maha mpanakanto azy.

Nampanantena ny hanamboatra trano ho azy ny Jeneraly Lylison René de Rolland, Governoran'ny Faritra Sofia, sady zanak'i Sofia. Natomboka ny zoma 23 Septambra 2022 ny fanamboarana ilay trano ao Ambohimandririna, Kaominina Ambodimandresy - Distrikan’i Antsohihy, izay misy efitra 02 sy lakozia.

Andalam-pahavitana ilay trano ankehitriny, ary azo antoka fa ao i Bahoejy no hitsena ny taona vaovao 2023.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.