Papier Antemoro : Hiady ny hamerenana ho an'ny Malagasy ho tompony i Sophie Ratsiraka

  • mardi, 20 septembre 2022 19:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitsidika ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany iny ny minisitry ny Asa-tanana sy ny Hai-tao, Sophie Ratsiraka. Ankoatran'ny fijerena ny asa vitan'ireo mpanao asa tanana, dia nitondra fanazavana ny asa sy ny tanjona ataon'ny ministera ny tenany.

Noresahiny ombieny ombieny ny hiadin'ny ministera tantaniny ny hamerenana ho an'ny Malagasy ho tompon'ny "papier Antemoro". Ity asa-tanana sy fahaiza-manao tena Malagasy ity manko ankehitriny, dia misy milaza amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa an'ny Nosy Rahavavy iray aty amin'ny Oseana Indiana.

Efa misy, hoy ramatoa minisitra, ireo antontan-taratasy sy antontan-kevitra voahangona entina hanaporofoana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa an'ny Malagasy tanteraka ny "papier Antemoro".

Hisy ny « Forum régional pour l'artisanat » izay hatao isaky ny faritra, ka nanentana ramatoa minisitra mba hodinihina manokana ho an'ny Faritra Fitovinany ity resaka "papier Antemoro" ity.

Tokony hivoaka mandritra io koa ny volavolan'ny sata ho an'ny mpanao asa-tanana, izay atolotra ho laniana eny amin'ny Antenimieram-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.