CATHEDRALE NOTRE DAME DE LA SALETTE ANTSIRABE

  • mardi, 06 septembre 2022 12:12
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ny tantara nolalovany :

- Talohan'ny taona 1900 : Fiangonana kely, biriky tanimanga, naorin'i Mômpera Dupuy no fiangonana katôlika voalohany teto Antsirabe.

- Ny fiandohan'ny taon-jato faha-20 tany, no tonga teto ireo misioneran'i Notre-Dame de la Salette, ary nanorina fiangonana lehibebe kokoa izy ireo ny taona 1908.

- 1913: no niorina ny préfecture apostolique-n'i Betafo, ary mbola tao ambany fifehezany i Antsirabe

- 1918: nakarina ho Vicariat apostolique-n'i Betafo, izany hoe nahazo Eveka titulaire.

- 1921 vao nahazo ny grady Vicariat Apostolique i Antsirabe, ka nanapa-kevitra ny Eveka François Dantin ny hanorenana fiangonana lehibe.

- 1924 no natao ny fametrahana ny vatofototra, ary 1925 vao tena nanomboka ny asa fananganana : 60m ny lavany, 16.77m ny sakany, 14m ny haavo, ary 45 ny ny haavony hatreny amin'ny tilikambo misy ny lakolosy.

- 1931 no natao ny consécration sy ny bénédiction officielle.

- 1955 no voahosotra ho Diosezin'Antsirabe

Ireo Eveka nifandimby nitondra nanomboka ny taona 1955 :
- Mgr Claude Rolland
- Mgr Jean-Maria Rakotondrasoa
- Mgr Philibert Randriambololona
- Mgr Félix Ramananarivo
- Mgr Philippe Ranaivomanana, notendren'ny Papa Benoit XVI ho Evekan'Antsirabe ny 13 Novembre 2009, ary napetraka teo amin'ny fiketrahana maha Eveka ny 07 Febroary 2010.

- Ny 30 Aogositra hatramin'ny 4 septambre 2022 teo no nandraisan'ny Diosezin'Antsirabe ny JMJ 2022.

(Sary nindramina, Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana - Cathedrale Notre Dame de la Salette).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.