Mpanakanto : Nodimandry teo amin’ny faha 30 taonany i Rak Roots

  • jeudi, 21 juillet 2022 12:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nindaosin'ny fahafatesana tao Mahajanga ny alin'ny 20 Jolay 2022 i Loïc Rakotonirina, fantatra amin’ny anarana maha Mpanakanto hoe Rak Roots, rehefa nivahiny 30 taona teto an-tany.

Manana areti-mitaiza sohika izy, ary io no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Nanao izay ho afany ireo mpitsabo tao amin'ny hopitaly CHU Mahajanga fa tsy tana ny ainy.

Hiala amin'ny fiaramanidinna ao Mahajanga anio tolakandro ny razana hiazo an'Antananarivo. Handrasana ao amin’ny Palais des Sport Mahamasina ny razana ho fanaovam-beloma farany azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.