Artista sy Mpamorona : Tsy mankasitraka ny fifanarahana nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mamatotra ny OMDA amin’ny tsy miankina

  • jeudi, 30 juin 2022 19:23
  • Zakaria

Nanao fanambarana ireo mpikambana solotenan’ny mpamorona sy artista ao amin’ny Fikankevim-pitantanana (CA) OMDA, voafidy tamin’ny fivoriambe (AG), maneho ny tsy fankasitrahana ny tsy fanajana ny rafitra ara-pitantanana eto anivon’ny OMDA.

Nambaran’izy ireo fa nanao fifanarahana (convention) niaraka tamina orinasa tsy miankina iray, izay mamatotra ny OMDA sy ny mpikambana, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny 21 jona 2022, kanefa tsy nandalo fankatovan’ny Assemblée Génerale (AG) sy ny Conseil d’Administration (CA), izay rafitra hany mpanapaka eo anivon’ny OMDA, araka ny sata mifehy ity farany.

Manoloana izany dia mitsipaka marindrano izany fifanarahana izany izy ireo, izay tsy manaja ny rafitra sy ny artista, ary mampizarazara koa ny mpikambana.

Aoka tsy hanararaotra ny fotoana tsy mahamari-toerana ny OMDA, sy ny tsy fisian’ny tompon’andraikitra voatendry ara-dalana, hoy hatrany ny fanambarana, nataon’ny mpikambana solotenan’ny mpamorona sy artista ao amin’ny Filankevim-pitantanana OMDA.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.