Finoana Katolika : Nodimandry i Mgr Joseph Donald Leo PELLETIER

  • lundi, 06 juin 2022 10:49
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Nodimandry ny alahady 05 jona 2022, vokatry ny fandonan'ny fiarakodia azy tany Alterborro Etats-Unis, andron'ny Pentecôte, fetin'ny fidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apostoly sy i Masina Maria, ny Evekan'i Morondava, efa misotro ronono, Mgr Joseph Donald Leo PELLETIER, raha nivahiny teto an-tany nandritra ny 91 taona.

Teraka ny 17 jiona 1931 izy, nanao voady voalohany ny 02 jolay 1951, namasinina ho Pretra ny 28 oktobra 1956, tonga teto Madagasikara 64 taona lasa izay, ny taona 1958, voatendry ho Eveka ny 17 novambra 1999 ary nohamasinina ho Evekan'i Diosezy Morondava ny 13 febroary 2000.

Ny teny Faneva nentiny dia "Hitia sy Hanompo".

Ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra dia hatao ny Alarobia 08 jiona 2022 amin'ny 09ora maraina ao amin'ny Paroasy Katedraly Marie Manjaka Namahora Morondava, andro fankalazana ny Martiry Md Jacques BERTHIEU, araka ny fangatahany voarakitra amin'ny taratasy napetrany alohan'ny nahafatesany.

Mbola any am-pita moa ny Razana ankehitriny, raha niomana ny fankalazana ny faha 91 taonany ny 17 jona ho avy izao ny Diosezin'i Morondava

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.